airtel

Edito

14-févr-2025

Mihidy!

Mihidy avokoa amin’izao fotoana izao na ny famatsiam-bola anatiny

Sample post image

na ivelan’i Madagasikara, hoy ny fanazavàn-drizareo Rodoben’ny mpanohitra izay.

14-févr-2025

Hita ho mihidy koa anefa, etsy ankilan’izay, ny finiavan’ny fitondràna mijoro ankehitriny eto amin’ny firenena ireo fomba fijery hafa mitsikera ny tsy mety ataony sy tsy manasoaso azy. Ireny niaraha-nandre vao tsy ela ireny ny fanamafisan’ny praiminisitra lehiben’ny governemanta fa mandeha araka ny tokony ho izy ny fampandrosoana an’ity Madagasikara lazain’ny firenen-kafa fa mahantra indrindra eto ambonin’ny tany ity. Miteniteny foana daholo ve izany ny FMI sy ny banky iraisampirenena, eny, izao tontolo izao mihitsy? Misy mifofo indray moa, hoy ny nambarany, ny ain’ny filoham-pirenena satria manana vina hampandrosoana ity firenena ity izy. Aiza ihany ary izany vina izany no mbola tsy hita manangasanga hatramin’izao ny vokany tao anatin’izay 6 taona izay, eny, 16 taona izay? Aiza ho aiza ilay «Plan Marshall»? Toy izany koa ny IEM, ny PEM, ny PGE, ny Velirano sy ny hafa rehetra voatanisan’izao filoham-pirenena izao sy ny fitondràny hatramin’izay? Mihidy ny tatitra. Mihidy ny fangaraharaham-pitantanana rehetra mikasika izany. Mihidy ny varavarana ahafahana manolotra na dia sosokevitra avy amin’ireo herivelona samihafa hampandrosoana ity firenena ity aza. Mihidy!
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

17-mars-2025

andron’ny 17 martsa ! Kihon-dàlana iray nahatanterahan’ny fanonganam-panjakana tamin’izany.

Card image cap
14-mars-2025

sinoa antsoina hoe : Sun Tzu tany amin’ny taon-jato faha-6 talohan’i Jesoa kristy

Card image cap