ary betsaka ny zavatra tsy ampoizina mety mitranga ! Taratr’izany io toe-javatra miseho ao amin’ny Antenimierampirenena io. Tsy an-kitsitsy fa izay kely vovok’aina no mikisaka. Ny sary androany mety hiova rahampitso saingy mampametra-panontaniana ihany indraindray hoe : ho an’ny tombotsoam-pirenena sa ho an’ny tombotsoa politika ? Ny nanana ny maro an’isa tsy azo ivalozana 13 volana lasa, nirodana tsy afa-nanoatra na mety manana ny volany sy heriny aza. Nitranga izany herintaona lasa, miverina izany herintaona aty aoriana,… ankoatra ireo sary efa nitranga tany aloha. Mitsimbadika tanteraka ny rasa, miovaova ny loko, fa ny olona ny eo ihany no eo ! Lalan-tsaina napetraky ny vahiny moa ny hoe : « ny atao hoe demokrasia dia jadon’ny maro an’isa », saingy sao sanatria tafiditry ny bontolo ? Samy mifandrirotra amin’izay maha metimety azy eo, fa ny vahoaka mpitazana fotsiny ? Hiteraka fitoniana sy fahamarinan-toerana sa sanatria ho fositra hamotika ny dingana vita ? Ny manahirana dia ny hoe sao sanatria hanome vahana ireo tsy maty voalavo an-kibo sy zatra nigalabona tamin’ny fangoronana harem-pirenena teto ? Sao sanatria misoko mangina any ny teti-dratsy hanozongozonana ny fitondrana mijoro ? Inona no antoka fa ny maro an’isa milaza fa manohana androany dia mety mbola hitrongy rahampitso, ary ny vondrona na antoko izay efa nivadika androany dia tsy hivadika intsony rahampitso ? Enga anie ny hamisavisana ny ratsy hiavian’ny soa !
Toky R