amin’ilay firenena mihitsy no mila fanabeazana faobe amin’izao fotoana izao. Mila fanabeazana faobe toy izany koa ny olompirenena rehetra! Mety efa fanontaniana mipetraka matetika ary efa voavaly eny antsefatsefany eny foana ihany saingy mbola tsy mety mahatonga saina antsika mianakavy hatramin’izao ny hoe fa maninona moa no mirongatra ny tsy fandriampahalemana eto amin’ity firenena ity? Amin’ny ankapobeny dia mahavaly ny 80%n’izay fanontaniana izay fara-faha keliny angamba ny hoe maro ireo tsy manana asa. Matoa misy ny olona mahantra eto amin’ny firenena dia satria tsy manana fivelomana araka ny tokony ho izy amin’ny maha olombelona azy io olona io. Matoa misy ny totankely isan-karazany toy ny mpanao sinto-mahery sy dahalo dia tsy nisy tamin’izy ireny ary mety betsaka ny tsy afa-nisitraka ny atao hoe asa mendrika sy asa mahavelona eto amin’ity firenena ity, hoy ny filazan’ireo sendikalista azy izay. Io izao dia mbola manjaka foana ihany ny resaka halatra maha lasibatra ireo havana antsoina hoe varira. Asa ratsy izany ary inona moa no mahatonga ireo manao izany asa ratsy izany ho alaim-panahy hanao an’ilay izy? Tsy nobeazina hanome asa mendrika sy mahavelona ny olompirenena ireo mpitondra nifandimby. Isany ny ankehitriny ary ity ankehitriny ity mihitsy aza moa amin’izao fotoana izao io mampikaikaika antsika mianakavy io. Ekena hoe manao ny ataony angamba ny mpandraharaha marolafy fa izy moa no tokony hamaha ny olana voalohany? Iza no tokony hijery izay handanjàna ny hetra alaina amin’ireo mpandraharaha malagasy fa tsy sanatria hitaky hetra efa hamonoana azy ireo mihitsy? Tsy ny fitondram-panjakàna ve no tokony hanana politika mazava momba izany atao hoe fampananan’asa izany fa tsy ny angovo efa mba tokony hitazona ireo fihariana efa mba misy ankehitriny toy ny resaka rano sy herinaratra indray no mbola tsy hita ihany hatramin’izao ny vahaolana maharitra mikasika azy, efa ho 20 taona aty aoriana? Mila fanabeazana faobe manomboka amin’ny mpitondra isanisany mihitsy mba ho fitaratry ny olompirenena marina angamba no azo ilazàna azy!
J. Mirija
Tsy mpanohitra an-drizalahy miseho azy ho tompon’i Madagasikara ireo aho, hoy ny mpanakanto sady
fa tsy manan-tsafidy intsony ny Malagasy fa na mifoha sy mandray andraikitra hitsinjovana ny ho