airtel

Edito

17-août-2023

Edito

Mila miala anaty rindrin’efatra!

Sample post image

Zary lasa fandemen-tsaina mitady ho raiki-tapisaka amintsika Malagasy sasany ny hoe: rehefa tsy mandeha amin’ny fanaon’ny olona,

17-août-2023

tsy mizotra amin’ny làlana sy fomba fiady politika mahazatra,… dia tsy ho tafavoaka, tsy ho tody amin’ny tanjona. Hita taratra io amin’ny fomba fanehoan-kevitra ara-politika samihafa, amin’ny fanatsatsoana sy ny fandemen-tsaina,… Misy ny efa manana izay fomba fijery raiki-tapisaka izay, ka amin’ny fifidianana ohatra, dia betsaka no milaza fa rehefa tsy Rakoto na Rabe, dia tsy ho lany, hanary vola, hampizara vato,… Tsy hifanomezan-tsiny satria izay no mety nitezana antsika, izay no mety tafalentika tany anaty tsikalakalam-pieritreretan’ny sasany amintsika. Sarotra tokoa ve ny miala amin’ny mahazatra na mety ho tsy dia mitondra fahombiazana aza? Tsy resaka olona no tiana hambara eto, fa any amin’ny resaka hevitra sy fijery hoenti-manasoa ny firenena mihitsy. Mety ho sarotra ny miala amin’ny lasi-tsaina mahazatra, ny fomba fiady efa raiki-tapisaka,… ka zary milentika an-tsain’ny olona fa vao miova làlana, dia vao mainka mizotra makany amin’ny tsy fahombiazana. Andeha mba horaisina amin’ny heviny miabo indray satria raha te ho tonga amin’ny tanjona, dia ny fiovana amin’ny làlana mahazatra no isan’ny antoka hahatongavana amin’izany. Andeha tsy hotsatsoina ireo olom-pirenena efa miezaka manokatra sy mampivelatra ny fomba fijery satria firenena iaraha-manana ity. Tsy sanatria hanary ny zava-drehetra teo aloha, fa ny fitantanana firenena mitohy foana fa ny fomba fiasa sy ny laharam-pahamehana no mety ho samihafa. Tahaka izany ihany koa ny paikady hoenti-manatratra ny tanjona. Tsy misy olona handeha hirotsaka hofidiana ho Filoham-pirenena ka handeha hamotika ny firenena no tanjony, fa mety any anaty fahaiza-manao sy fomba fiasa hanatrarana izany no samihafa. Mila manakotra ny fijery isika, ka andeha tsy hojerena amin’ny endrika ivelany, ny tsangan’olona, ny laza ara-politika,… fa tena ny hevitra, ny paikady, ny fahaiza-mamantatra ny kandida tarafina amin’ny maha izy azy, ny zavatra efa vitany sy nataony sy ny mety mbola hataony,… ka tsy hogejaina ao anaty rindrina efatra hatrany, ka hoentina fotsiny amin’ny fanompoana tsangan’olona na loko, fa tsy vinam-piarahamonina hoenti-manavotra firenena.
Toky R 

Dans la même rubrique

16-mai-2025

olom-pirenena zary mety mahalala tsianjery

Card image cap
15-mai-2025

kanefa dia ireny niaraha-nahita ireny fa hipoka olona ny kianja goavambe eto Antananarivo

Card image cap