airtel

Edito

17-oct-2024

Mila rivotra politika vaovao !

Diavolan-ko lava, kilalao mbola ho ela,

Sample post image

raha ny resaka politika eto amin’ny firenena no resahana !

17-oct-2024

Mbola mandeha ny endrika tsimbalivaly politika, ary toa miha mafana indray aza ny fifamelomana politika samihafa. Mbola holaniana amin’izany ve anefa ny fotoana eo anatrehan’ny fahapotehana lalina ? Mitombina hatrany ilay hoe : amin’ny politika dia tsy misy ny mpinamana mandrakizay na mpifavahalo mandrakizay, raha ny sary mitranga eto Madagasikara. Iza tokoa moa ohatra no nanam-po fa ny mpifavahalo politika am-polo taonany niray feo niara-nidina an-dalambe nandrodana ny mpitondra nisy teo 6 taona lasa izay ? Iza no nieritreritra fa ny mpifanandrina politika sy nifampiandry tao anatin’ny 10 taona no tonga nanotrona sy nandray tànana ilay nambara fa mpandresy ny ankilany kanefa ny mpanara-dia nisy efa tonga teny an-kianja nijoro hiaro ny safidim-bahoaka ? Raha noheverina fa fampihavanam-pirenena anefa no nitranga dia toa tsy izay fa sarintsarina demokrasia na sanatrian’ny vava famitaham-bahoaka izay misy no lasa mifandrafy fa ny lehibe mihavana na misera ihany ary ambadika ary? Dia atao mahagaga ve raha manomboka mipoitra ny hery hafa miezaka mitondra hevitra sy vina tsy misy fitaka na fampanofinofisana, mba hisian’ny fijery vaovao sy rivo-baovao eto amin’ny Firenena ? Dia mandeha ny fanenjehana avy any ankavia sy ankavanana samihafa any ka misy ny manasokajy ho mpamadika, ao ny manapempo fa tsy ho lasa lavitra, saingy betsaka kosa anefa ny vahoaka no tonga saina fa fotoana hiaraha-mientana hitondrana fanovana izao. Tsy ny fifandrafiana politika, na ny sinema politika, na fitadiavana tombotsoa, na koa ny fanindrahindrana tsangan’olona rahateo no hahavaha ny olan’ny firenena, fa ny firosoana sy fiaraha-mientana makany amin’ny tena fikatsahana ny soa iombonana ho an’ny daholobe. Tsy ny fahaizana mametsifetsy na manambaka na manao tohatra fiakarana ny vahoaka rahateo no antsoina hoe : mahay politika, fa ny mahay mametraka ny tombotsoa iraisana ho soa ho an’ny daholobe. Tsiahivina hatrany fa ny fahantrana no fahavalo izao ka sao diso adiverisera ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

7 taona mahery no nitondràny amin’ny maha filohan’ny repoblika malagasy azy,

Card image cap
28-mai-2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

Card image cap