airtel

Edito

10-août-2026

Mila sahy ! Mila mailo !

Mitaky fahasahiana ny fitantanana

Sample post image

firenena, indrindra manoloana

10-août-2026

ny geja ara-toekarena, ara-politika, ara-joepolitika, ara-tantara,… Manahirana, mety miteraka ambana sy tsindry lehibe saingy mila finiavana sy dingana stratejika lehibe, mila fanovana, mila fanavaozana. Tsy takona hafenina ny fiezahan’ny vondrona ara-toekarena vahiny na firenena matanjaka ny sehatra stratejika eto amintsika, ary mbola mitohy sy mihamafy io. Vao tsy ela ohatra fa herintaona mahery izay ny nandalovan’ny Filoha Frantsay teo izay tsy nihambahamba nilaza hoe : ny fahantranareo 80% no tokony hiadian-kevitra fa tsy ireo Nosy ireo, raha nandeha ny resaka Nosy Malagasy giazan’i Lafantsa. Mbola nandeha hatramin’ny fangatahana fanomezana toerana amin’ny fifanarahana stratejika momba ny harena an-kibon’ny tany. Dia niarahana naheno sy nahita, fa tsy sahy nikofoka fa nifitsaka tanteraka ny mpitondra tamin’izany, izay tsy dia mahagaga loatra. Marina fa mety hamaivanina amin’ny hoe sarotra, atody miady amam-bato,… isika raha mijoro, kanefa efa andron’ny fahalalahana izao, tsy hisy hoe : handeha handray basy hanjanaka indray ny firenena lehibe. Moa raha mijoro sy manova ny politika ara-toekarena sy ny fiaraha-miasa amin’ireo matanjaka ve isika dia midika ho manangam-pahavalo ? Efa dingana lehibe ny fahasahian’ny Fanjakana mijoro manoloana ireo vondrona matanjaka toy ny amin’ny sehatry ny herinaratra manoloana ny tsy fanajana ny fifanarahana, tombotsoa mihoampampana,… Tahaka izany ihany koa io dinganaamin’ny resaka solika io ! Mila mokon-doha sy fahasahiana anatin’ny fahamailoana sy fahamalinana tanteraka!
Toky R
 

Dans la même rubrique

21-août-2026

naverimberina manoloana ny

Card image cap
20-août-2026

ny tsio-drivotra ara-politika na

Card image cap