airtel

Edito

26-sept-2024

Milalao afo!

Milalao afo! Izay ankehitriny no azo ilazàna ny fihetsika

Sample post image

politikan’ireo mpanao politika eto amin’ity firenena ity, indrindra moa fa ny eo anivon’ny fitondram-panjakana.

26-sept-2024

Ity farany izay azo lazaina hoe nanao izany nandritry ny fotoana ela ihany tamin’ny alalan’ny mbola tsy fitondrana vahaolana mivaingana amin’ny lafim-piainan’ny vahoaka malagasy rehetra izao. Tsy menatra namitaka tamin’ny alalan’ireo fampanantenana samihafa toy ny hoe afaka 6 volana no ho afaka ny delestazy. Aiza ihany izao ilay lala-maro zotra na «flyover» nambara tamin’izany fotoana izany fa hamahana ny fifamoivoizana mampikaikaika an’Anosizato sy ny manodidina azy iny? Aiza ilay Tanamasoandro? Aiza ilay Ambatondrazaka ho lasa toa an’i «Paris» sa hitadiavana fanalavana vinaninany tampoka eo toy ilay hoe MIAMI ao Toamasina indray? Aiza ny vahaolana maharitra mikasika ny olana eny amin’ny oniversite, ny olan’ny fanabeazana, ny olan’ny mpiasam-panjakana, ny olana eo amin’ny tontolon’ny asa malagasy manontolo mihitsy? Fahaleovantena ara-tsakafo no nilokalokana nefa toa fanafarana hatramin’ny vary indray aza no nitranga farany teo? Izao izany dia ho ampiroboroboina indray ny voly vary safiotra, izay maodely nalaina tamin-dry zareo sinoa. Niodina tamin’ny fampanantenana hatrany ny fiainam-pirenena malagasy tao anatin’ny 15 taona mahery. Tao ny fampanantenana ity fiara an-dalamby aingam-pandeha isan-karazany ity toy ny «tramway» sy ny tahaka izany. Tao ny fampanantenana vidina menaka midina ho 2500 Ariary ny litatra. Ny vary 1 kapoaka ho 500 Ariary. Hatramin’izao dia nijanona ho fampanantenana moa izany rehetra izany ary mitohy aty amin’ny resaka hotely kintana 5 sy ny tariny rehetra aty.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

25-avril-2025

dia Madagasikara no hany sisa taraiky, mbola manindraindra fatratra ny firenena frantsay

Card image cap
24-avril-2025

Rahoviana vao mba hifoha ?

Card image cap