airtel

Edito

20-août-2026

Miova arakaraka

ny tsio-drivotra ! Miova arakaraka ny zava-misy

Sample post image

ny tsio-drivotra ara-politika na

20-août-2026

eto an-toerana na eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena fa ny fanontaniana mipetraka hatrany dia ny hoe : ho an’ny tombotsoan’iza ? Tena mahasoa ny Firenena ve ? Inona ny lafy tsara sy lafy ratsiny ? Nohizingizinin’ny sehatra iraisam-pirenena tahaka ireo antanan-tohatra misy antsika ohatra ny filazana fa fakana fahefana tsy ara-demokratika teto kanefa niaraha-nahita fa na tiana na tsy tiana dia ny vahoaka no nihetsika, narahin’ireo toe-javatra maro samihafa. Voizina ny fifandimbiasam-pahefana ara-demokratika fa hikipiana ny famonoana vahoaka mivantana na ankolaka, ny habibiana natao tamin’ny vahoaka nandeha an-tanam-polo,… Aty aoriana anefa, misy ihany ny firesaka diplaomatika maneo fa miha malefaka, na mety manao safosafo miharo felaka ihany, toy ny fepetra maro samihafa. Indraindray toa manahirana ihany ilay fihetsika asehon’ny vahiny, izay ekena ny fisian’ny soatoavina iraisam-pirenena, saingy mba hafahafa ihany ny toa endrika fijery na fepetra mitanila indraindray. Zava-dehibe aloha ny fanehoana amin’ny vonona hanampy an’i Madagasikara ohatra, fa tsy sanatria kosa terena handeha amin’ny làlana tsy mety aminy intsony na hamerina hamahana azy ny efa naloany ny Malagasy amin’ny resaka tsy fifanilihana, fampandraisana anjara ny rehetra,… Ekena fa efa manaiky ny tsio-drivotra misy eto Madagasikara ny sehatra iraisam-pirenena matoa maneho fa malefaka amin’ny mpitondra ankehitriny, fa ny hirariana dia ny hoe : enga anie ka tsy hampidi-kizo hanery amin’ny tsy fanery toy ny kisaritsarin-tsori-dàlana efa tsy nety tany aloha !
Toky R
 

Dans la même rubrique

18-août-2026

na hiatsinana na hiakandrefana isika

Card image cap