airtel

Edito

14-févr-2023

Edito

Mirangorango

Sample post image

Efa tafiditra tanteraka ao anatin’ny hazakazaka politika 2023 isika amin’izao fotoana izao. Sesilany ny fanambarana politika etsy sy eroa!

14-févr-2023

Samy manana ny kajiny sy ny tanjony, fa ny hita aloha dia manomboka mipoitra sy miteny izao karazana antoko sy mpanao politika izao. Mirangorango ny ankamaroany, ka ny ao anaty Fanjakana miezaka mipasoka daomy sy midokadoka etsy sy eroa fa tena miasa ilay fitondrana, miantso ny filoha hirotsaka, mila tohizana ny fampandrosoana,… Tsy maintsy misolelaka sy mipasoka ary mikofoka mafy fa sao ho very fihinana eo. Tsy finiavana hitsikera sy hanakiana, fa izay tsara tolototolotra akaiky ny mpandoa bary ao anaty fitondrana aloha izao no sisa milamina fa raha ny sarambabem-bahoaka tena milentika ao anaty fahasahiranana. Sanatria ve mbola hahomby ve ny kizarazara sy ny kitolotolotra na koa ho voavidin’ny vary iray lovia sy t-shirt na fanomezana tsy mahavita taona indray ny Malagasy? Ankoatra ny seho ivelany, mandeha ny fanetsehana ireo heverina fa mersenera politika hipasoka daomy, hanambitamby izay marivo salosana mirangorango tombotsoa any anaty fanoherana, hanao izay hampalemy ny mpanohitra,… saingy iaraha-mahita ihany koa ny endrika fifandefonana ivoho any anaty fitondrana, izay vao mainka mampalazo ny Fitondrana ankehitriny. Ny ady an-trano moa dia efa vaky am-batolampy ny sasany. Izany ve no mbola hantenaina fa ho vahaolan’ny firenena? Andaniny ihany koa anefa ny anaty fanoherana, betsaka ny mirangorango, mipoipoitra mitady hirika sao misy seza mibanaka tampoka dia andeha hiteny hoe: indreto izahay, izahay nitolona,… Toa tratry ny viriosin’ny ady an-trano na tsy mahazaka ny mena miraviravy ka lasa mamadika, dia lasa mifanaratsy sy mifamoaka tsiambaratelo sy mifanala baraka. Toa tratry ny zarazarao hanjakana ihany koa, ary indraindray aza ny sary hita dia misy ny mpanohitra, ary misy ny sarintsarina mpanohitra. Samy milaza ho manana vahaolana ho an’ny firenena avokoa, saingy rehefa dinihina, betsaka no basy tsy mipoaka, misy antoko toa olana iray no mandrafitra azy,… Sao mba tokony halamina raha tena hitady fifandanjan-kery ara-politika ka tsy ho klioban’ny 0% amin’ny fifidianana e ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Mihazakazaka any amin’ny fanenjehana ireo mpifanandrina ara-poto-kevitra aminy hatrany ny fitondrana,

Card image cap
24-avril-2024

Tonga indray ity ny vanim-potoanan’ny fifidianana

Card image cap