fotoana izao ny maheno olompirenena mafana fo maneho hevitra fa mila fidiana ny filoham-pokontany eny amin’izy ireo ary tsy ny filoha ihany fa rehefa mety ho tomponandraikitra eny anivon’ny fokontany mihitsy. Tranga iray tazana teny anivona fokontany samihafa izany tato ary heverina fa tranga maneho ihany koa fa miroso amin’ny maha olompirenena tena izy fa tsy olompirenena anarany fotsiny izany amin’izao fotoana izao ny olompirenena malagasy. Isika mihitsy aloha no mila miova raha te hanova, hoy ny fanehoan-kevitrana mpisehatra politika iray izay omaly. Inona tokoa moa no fiovàna na fanovàna andrasana eto amin’ity firenena ity raha tsy hiainga amina tranga heverin’ny maro ho bitika toy izany aloha? Heverin’ny maro ho bitika izany nefa hita ho tsy bitika velively fa tena fototry ny firenena satria fientanam-po sy saina miainga eny ifotony dia tsy inona akory fa miainga eny anivon’ireo fokontany. Ny irariana dia ny hoe «Maromaroa mihitsy ny toy izany!» mba ho foana tanteraka amin’izay ao aoriana ao ny fitenenan’ny valalabemandry hatramin’izay hoe «Izahay tsy miditra amin’ny politika». Na mihinam-bary aza nefa izy amin’io dia efa misy politika, hoy ny fomba fitenintsika malagasy izay. Inona tokoa moa ny famaritana tena izy ny atao hoe politika raha tsy hoe «fikatsahana izay mahasoa ny fiarahamonina na ny tanàna, eny, firenena sy fifandraisana iraisampirenena mihitsy.»? Rehefa tsy manao politika, hoy ihany ny fomba filazantsika, dia ataon’ny politika. Andron’ny fanavaozana, hono, izao fa, indrindra, andron’ny fanovàna ihany koa. Inona moa izany no tena tiantsika hiova eto amin’ity firenena ity na koa hoe inona avy? Tsy hanavahana firehana angamba ny valinteny mifandraika amin’izany fanontaniana izany fa raha mbola samy olompirenena miaina eto amin’ity Madagasikara ity ihany koa dia samy te ahita farim-piainan’ny malagasy rehetra hiakatra daholo. Samy te ahita an’i Madagasikara ho afaka anaty fahantrana daholo. Samy te ahita an’i Madagasikara tena mahaleontena marina daholo. Izay izy, raha fehezina amin’ny ankapobeny, ka dia irariana mba ho tanteraka.
J. Mirija