airtel

Edito

22-sept-2021

Edito

Mitoetra ilay « sans qualité »

Sample post image

Mba samy nisy lesoka avokoa ny mpitondra nifanesy teto amin’ny firenena, saingy mbola tsy nisy tratry ny resabe toa an’ireto ankehitriny ireto kosa angamba tao anatin’ny 60 taona.

22-sept-2021

 Resahina sy ventesina foana ny hoe : fa inona no mba nataon’ny mpitondra nifanesy, rehefa mba misy zavatra iray vitan’ny filoha ankehitriny. Fatra-pirehareha, fatra-panamaivanana ny hafa, lavitry ny fanentren-tena ary midoka tena toa papelika mandrakariva. Miharihary hatrany anefa ny maha mpitondra tsy manana etika ny ankamaroany, ary miainga any amin’ny faran-tampony io. Miverina hatrany ny fanasokajiana nataon’ny vahiny tamin’ny tetezamita dia ilay hoe: “sans qualité”. Miharihary amin’ny lafiny rehetra io, ary porofo mivaingana amin’izany ireo toe-javatra niteraka resabe, saika misy foana isan-kerinandro. Iny indray fa toa nidi-kizo ny Filoham-pirenena nandeha nakany amina biraon’ny Minisitra Delege Frantsay, io iaraha-mahita io ny resabe mombana minisitra mivady izay efa ataon’ny olona tsakin’ady amin’ny resaka, olona ambony mitondra tena ho tsy maty manota sy mihevi-tena ho mpanjakan’I Madagasikara ny sasany, olona efa nohenjehina tamina heloka voatendry amina toerana ambony any anaty minisitera dia mifampiaro sy mifanadio eo, minisi-panjakana miantsoroka fiandrianam-pirenena toa manondrana matetika,… Ny fomba fitantanana firenena sy ny fanaovana politika moa, dia efa zary rano fisotro ny tsy fitazonana ny teny nomena. Any amin’ny propagandy ianao mirehareha fa mampahantra ny fitrosana lava kanefa rehefa eo amin’ny toerana “aorta” sy tsisy atokona raha tsy mitrosa, ary tsy nisy nitrosa betsaka indrindra noho ianao tao anatin’ny 60 taona, tsy nisy fitantana tsisy fangaraharahana toy ny anao hatramin’izay,… Asa fifandrifian-javatra ve ny hoe: mialohan’ny Fivoriamben’ny Firenena Mikambana tokony hiresahana ireo Nosy Malagasy no nomen’I Lafrantsa trosabe? Mariky ny tsy fanana etika ihany koa ny fampanantenana arahina fe-potoana kanefa tsy vita, toy ny hoe: hivaha ao anatin’ny 3 andro ny olan’ny fidangan’ny vidim-piainana, hahazo “carte bancaire” ao anatin’ny iray volana sy tapany,… Asa mba aiza ho aiza ilay solosaina isam-pokontany sy ny “digitalisation” ao anatin’ny 10 andro? Tsy noterena na novozonina, tsy nambanana basy aman-tafondro ny mpitondra antsika nanao ireny rehetra ireny fa izy ireo ihany no manamarina an’ilay hoe: “sans qualité” na tsy misy kalitao!

Toky R
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Mihazakazaka any amin’ny fanenjehana ireo mpifanandrina ara-poto-kevitra aminy hatrany ny fitondrana,

Card image cap
24-avril-2024

Tonga indray ity ny vanim-potoanan’ny fifidianana

Card image cap