airtel

Edito

31-mars-2023

Edito

Miverina ny tantara

Sample post image

Mihazakazaka ny toe-draharaham-pirenena, ary toa misy sary mitovitovy izany miseho amin’ny zava-nitranga tany aloha.

31-mars-2023

Amin’ny politika, io efa mitranga io ny endrika fialana ao anatin’ny sambon’ny fitondrana ataon’ny mpikatroka sasany satria efa tsy mahatoky intsony fa mbola ho tafita any amin’ny 5 taona manaraka. Mandeha ny fikorapahana sy ny fakana toky, fa mbola ao an-damosina ny maro an’isa tahaka ny depiote, misy ireo olon’ny fitondrana mbola mahasahy mamoaka vava fa tsy mampiova na inona na inona ireny nisintaka ireny fa efa any amin’izy ireo ny tanjaka ary ireo olom-boafidy lany dia noho ny anaran’ny Filoha. Milaza mihitsy fa ho azony fihodinana voalohany, hono, io. Mandeha ny pi-maso avo lenta, miverina ny sary nataon’ny Fanjakana teo aloha tahaka ny fizarana “moto” ho an’ny ben’ny tanàna satria akaiky ny fifidianana, mbola nampiana ho an’ny Préfet aza moa ny an’ity fitondrana ity. Adino ve fa 8% ny vokatra azon’ny Filoha teo aloha na nandeha aza ny fanambazana goavana? Raha ny fiainam-pirenena sy ny fiainam-bahoaka anefa, tena azo niainana kokoa aza tamin’izany! Tena sahy hanao lalao madio amin’ny fifidianana ve? Ny vary novidiana 1800Ar ny kilao tamin’ny 2019 efa 3900Ar na 4000Ar ankehitriny, menaka 5000Ar efa lasa 13 000Ar, saran-dàlan’ny taksibe 400Ar efa lasa 600Ar, ny sandam-bola 1euro nisanda 3800Ar efa 4750Ar ankehitriny,… Dia mbola holazaina jamba sy pahana tsy mahita fandrosoana ve izay miteny an’ireny kanefa zavatra iainana? Izao ve ilay hoe: ny tsy vita ao anatin’ny 60 taona atao ao anatin’ny 5 taona? Ny tena zava-doza, efa izao no mahazo ny vahoaka sy ny firenena, saingy ilay mpitondra tokony handamina sy hiaiky ny tsy mety ary hanarina ny fomba fiasa indray no mandrehitra afo matetika. Ny toe-javatra hafa, dia toa mitamberina ny tantara amin’ny tontolon’ny haino aman-jery sy ny fifamatorany amin’ny politika. Asa tsy mba maka lesona tamin’ny tantara ve isika? Izay olan’ny mpifanandrina any tsy hidirantsika lalina fa ny fanontaniana dia hoe: mbola tiana haverina eto ve ny sary toy ny fandorana sy fandrobana ny MBS ny 2001 sy 2009, ny Top TV ny 2002, ny Tsioka Vao, ny TVM sy RNM tamin'ny 2009, ny fandrobana ny VIVA Fianarantsoa tamin'ny taona 2015,…?
Toky R
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

fitondrana ity amin’izao fotoam-piasana faharoa nidirany izao.

Card image cap
18-avril-2024

ireo tafiditra ao anatin’ny hazakazaka ho eny Tsimbazaza.

Card image cap