airtel

Edito

08-déc-2022

Edito

Nirefotra tanteraka…

Sample post image

Misamboaravoara ny Fanjakana ankehitriny! Efa karazan’ny tonga amin’ny tsotsorimamba isaharahana,

08-déc-2022

saingy ezahina takotakonana ihany ny fery na efa hita miharihary izao fa toa efa homamiadana tsy ahitam-panafana ilay manjo ny Fitondrana, raha oharina amin’ny aretina. Niniana notampitampenana sy nosarontsaronana tao ny tsy fanjariana sy tsy fahombiazana rehetra hatrizay, ninia nikipy ny olon’ny fitondrana, ary ilay andrim-panjakana natao ho mpanara-maso sy mpitsikera ny asan’ny mpanantanteraka aza hatramin’izay dia toa natao ho mpitehaka sy mpananga-tànana, eny solombavan’antoko, hoy ny maro. Iny nirefotra iny anefa ny vay omaly rehefa nosaronana ela tao, fa dia nitsikafona ambony ambony ny aretin’ny fitondrana. Niboridana tanteraka satria na tsy manontolo aza, dia nahariharin’izy ireo ny ambarany fa tsy fahombiazan’ny governemanta, ary voatanisa tao ireo afera maloto samihafa toa niniana nampatoriana hatrizay, raha tsy hilaza afatsy ny resaka trafikana harem-pirenena, volamena nanjavona tany amin’ny biraom-panjakana,… Tahaka izany ihany koa ny tsy fahaiza-mitantana ka naharendrika ireo orinasam-panjakana toy ny Jirama, Air Madagascar, CNaPS,… Ny resaka fahoriam-bahoaka noho ny tsy fahafehezana ny vidim-piainana, ny solika sy ny herinaratra,… Efa vaky am-batolampy iny, nahariharin’ny karatra fa na ireo olon’ny fitondrana ankehitriny ninia nikipy sy nidoka hatrizay aza vaky vava ankehitriny fa tsy araka ny politika ankapobeny napetraky ny fanjakana ny zava-bitan’ny mpanatanteraka. Izay tsy nifankahazoana tao tsy hidirantsika lalina, ary na hifandamina sy nifanome toromarika tao aza fa aleo halamina sy haravona, dia efa miharihary toy ny vay an-kandrina sy tsy azo kosehina fa efa tena tsy izy itsony ireo. Sarotra ny hahita fahagagana, fa dia karazana politika politisianina sisa ampiadiana sy paikady hoenti-manarontsarona ny lavaka mangitsokitsoky ny tsy fahombiazana. Toa mitady ho fomba fiasa ilay hoe: iza no hatao sorona? Avy eo somary misalasala sy tonga saina hoe: ny ataon’ny ivelan’ny fitondrana aza efa manahirana ka ny ato an-trano indray ve no hifanipaka toy ny valala an-karona? Na ho ela na ho haingana anefa, toa tsy maintsy hipoaka ihany ny sarom-bilany!
Toky R
 

Dans la même rubrique

22-avril-2024

amin’ity firenena ity ary «Rafahafahana»? tsaroana, 7 taona lasa teo izay,

Card image cap
19-avril-2024

fitondrana ity amin’izao fotoam-piasana faharoa nidirany izao.

Card image cap