airtel

Edito

17-avril-2025

Edito

Ny atiny aloha…

Sample post image

Misy ny miteny fa tsy miasa, misy nymiasa fa tsy miteny.

17-avril-2025

Tsy voatery hazava amin’ny rehetra ny zavatra ambaranao sy ataonao, ny mahay, manam-panahy sy mahay mandinika tsara ny zava-nisy sy misy kosa anefa dia tsy ho voafitaky ny zavatra hisy sy ho avy eo. Tsy mora ilay fiainana eto Madagasikara, tena tsy misy tsy mikaikaika, na olon-tsotra io, na mpiasam-panjakana, na orinasa , na olona miasa tena, na mpandraharaha. Indrisy anefa fa matetika lasa any amin’ny zavatra mandany andro no iadian-kevitra, vitsy ireo toga saina hoe tsy mantsy miasa sy mamokatra anie isika vao ho tafavoaka eto e ! Ny mpiara-miasa ve moa tsy hanampy eo foana, na ireo firenen-dehibe aza anie mbola mifanampy fa tsy misy mahavita tena irery izany e ! Don-tandroka no betsaka, tahaka ny ataon’ny filoha Trump fa rehefa avy eo mifanaraka ihany satria misy tombotsoa iombonana ao. Tsy ho tafavoaka Ramalagasy raha mbola mifanenjika am-pitoerana sy mandany andro amin’ny seho ivelany, ny atiny no mila karakaraina, afaka misafidy tsara izay tiana atao ho fonony ety ivelany avy eo. Tsy hoe tonga vahiny dia iny fa hihetsiketsika be , tsy fahita tao anatin’ny 60 taona, ka lasa manjelanjelatra tampoka ny iray tanàna ; midy ny vahiny avy eo, miverina feno fofon’amany indray ny sisin-dalana dia samy manao ny ataony indray . Andao tohizana ny zavatra tsara, tsy mifanambaka, tsy mifampihatsaravelatsihy, tsy misolelaka, tsy manao fanakianana be fahatany, tsy manao mody marenina, tsy manao mody adala fa atao izay tsy maintsy atao.Izay mahasoa no atao, izay mahatafita no handaniana andro, miasa mba hamokatra fa tsy miasa satria hoe izay no lamaody.
RTT
 

Dans la même rubrique

16-mai-2025

olom-pirenena zary mety mahalala tsianjery

Card image cap
15-mai-2025

kanefa dia ireny niaraha-nahita ireny fa hipoka olona ny kianja goavambe eto Antananarivo

Card image cap