airtel

Edito

04-mai-2023

Edito

Ny hafa foana no adala

Sample post image

Samy mivoy ny herin’ny maro an’isa amin’izao fotoana izao ny fitondram-panjakana eto amin’ny firenentsika sy ny ekipany manoloana ny sehatra iraisampirenena. Ifaninanana foana moa io resaka be mpanaraka sy vitsy mpanaraka

04-mai-2023

io eto amintsika, indrindra, tao anatin’ny 22 taona teo izao. Tsy resaka hevitra sy vina fa dia hoe iza no be mpanaraka? Nomarihina koa iny omaly ny andro iraisampirenena ho an’ny fahalalahan’ny fanaovan-gazety. Efa very laharana miisa 41 be izao isika tamin’ny taon-dasa tamin’izay lafiny izay fa dia mbola nihivingivina am-pahibemaso ihany ny minisitra fa tamin’ny androny no nalalaka indrindra ity tontolo ity ary tsy mbola nisy mpanao gazety nigadra. Mbola nahemotry ny sehatra iraisampirenena na RSF ho miisa 3 indray ny laharana ankehitriny ka ny faha 98 lasa faha 101 fa dia mbola malalaka ihany, hoy izy! Ny hafa foana izany no adala rehefa milaza an-kolaka na mivantana fa tsy matoky ny fitantanana eto. Mety handeha indray ny fanazavana maro samihafa fa nahazo loka iraisampirenena tatsy sy taroa ny filoham-pirenena. Nametraka filaharana ve anefa ny sehatra iraisampirenena fa izy tokoa no tompondaka? Sao dia mba tsy izy irery fa olo-malaza maro na koa mpitondra fanjakana maro no efa nomena na niara-nomena taminy ireny karazan-doka ireny ho fankasitrahana manokana toy ny natao tamin’ireo malagasy neverina ho manana ny maha izy tany alohany? Mbola tsy nisy mpandraharaha nahazo loka na «prix» mihitsy ve teto, ohatra, na mpanao lakozia? Nisy filaharany ve tao anatin’ireny hoe ity no voalohany na faharoa na ity no tsara indrindra sy ny tahaka izany rehetra sa samy notolorana sy noraisin-tanana tamin’ny fomba fanaovana azy mahazatra anatin’ny tontolon’ny diplaomasia hatrizay hatrany? Ny tena fanontaniana manitikitika ny mpanara-baovao indrindra sy ny hipetrahan’ny tena ady hevitra maro ankehitriny aza dia ny hoe efa miha tsara ve ny fahefa-mividin’ny mpiasa malagasy? Fanontaniana vao novalian’ireo sendikan’ny mpiasa tamin’ny 1 may teo io. Efa tafavoaka amin’ny fahantrana ve ny ankamaroan’ny vahoaka malagasy? Efa azo porofoina ve fa tena nisy tokoa ny fampandrosoana ary tena nandroso ilay firenena tao anatin’izay 5 taona latsaka kely izay? Mbola azo tohizana lava dia lava ny fanontaniana.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Mihazakazaka any amin’ny fanenjehana ireo mpifanandrina ara-poto-kevitra aminy hatrany ny fitondrana,

Card image cap
24-avril-2024

Tonga indray ity ny vanim-potoanan’ny fifidianana

Card image cap