airtel

Edito

28-nov-2024

Ny marina marina foana !

Ny marina marina foana ary manan-kery hatrany io na oviana na oviana, na aiza na aiza,…

Sample post image

na ekena aza fa misy an’ilay hoe : ny marina rehetra tsy filaza. Ny filazana ny marina ihany koa dia

28-nov-2024

mety hiteraka zavatra maro, ka tena mila fahasahiana lehibe sy fijoroana io. Tena manan-kery amin’ny raharaham-pirenena sy ny politika io satria ny mety ho fanafenana ny tena marina, ny fiezahana hanidy ny masom-panahin’ny Malagasy hatramin’izay no tsy nampifoha sy niteraka fahakiviana ho azy ka betsaka no miraviravy tànana amin’ny raharaham-pirenena. Ny fivoahan’ny marina mazava ho azy, dia mety hanohintohina tombotsoan’olona na vondron’olona, kanefa inona tokoa moa no fahadisoana raha ho soa ho an’ny besinimaro na misy tokoa aza ny fitenenana hoe : ny marina rehetra tsy mba filaza ? Dia mbola ezahana halentika ao anatin’ny fahajabana ka tsy tokony hahalala sy hahita afatsy izay tiana ho hitany ve ny Malagasy ? Dia mbola holalaovina ara-politika mamohehitra sy tsy mahomby amin’ny filalaovana ny fihetseham-pony, ny tsy fahalalany, ny fahalemeny, ny fanantenany,… ka ny fanandratana olona na tsangan’olona ho Andriamanitra kely sokajiana ho tsy mba manam-pahadisoana na efa misy ny zavatra tsy mety mila harenina ve ny Malagasy ? Tsy hitompo teny hifampitsara sy hifamango hiady ho manana ny marina sy ny rariny eto isika, saingy diavolan-ko lava, kilalao mbola ho ela, tsy vita iray andro ny raharaham-pirenena,… fa dia ny ho avy no hitsara sy hanamarina na handiso ny ambara anio. Hamafisina hatrany kosa ny hoe : ny marina marina foana, ary fahadisoan-kevitra goavana ny fananganana ho fahavalo sy fanenjehana ireo sahy milaza ny marina. Haverina foana fa tsy ny olombelona, tsy ny mpanohitra, na ny mpitondra intsony izao no fahavalo fa ny fahantrana, tsy fahaiza-mitantana, ny fanabadoana vahoaka,… Izany no hilazana sy hanamafisana foana fa mila fanovana ilay fanaovana politika, ary tsy vitan’olon-tokana io, fa mila fiaraha-mientana satria miara-dia vao mandresy fa tsy mandresy vao miara-dia !
Toky R
 

Dans la même rubrique

06-déc-2024

Tsy mpanohitra an-drizalahy miseho azy ho tompon’i Madagasikara ireo aho, hoy ny mpanakanto sady

Card image cap
05-déc-2024

fa tsy manan-tsafidy intsony ny Malagasy fa na mifoha sy mandray andraikitra hitsinjovana ny ho

Card image cap