tia tanindrazana

Parution du Vendredi, 2 Juin 2023

airtel

Edito

Ny olona lasa fa isika mihahaka eto

Mandroso ihany ny fotoana ho an’ny raharaham-pirenena, fa ny fahasahiranana sy ny fahantrana miha mitombo ihany noho ny tsy fahaiza-mitantana manara-penitra.

09-févr-2023

Sample post image

Natao fialana bala sy nanilihana ny rihitra hatramin’izay ny olona iraisam-pirenena, tahaka ny ady any Ukraine. Asa na mba manongo tena kely ihany eo anatrehan’ny zava-misy maneran-tany fa I Ukraine ventesin’ny mpitondra antsika hanilihina ny tsy fahombiazana io aza anie ka na rotiky ny ady, dia efa isan’ireo mandefa fanampiana any Turquie sy Syrie izay lasibatry ny loza voajanahary e? Aiza ho aiza isika ilay nolazaina sy noventesina fa hanavotra an’I Afrika sy hampindram-bola an’I Comores? Mba mahalala menatra ihany ve fa izy anie no handray ny fitantanana ny Vondrona Afrikanina atsy ho atsy, izany hoe: miha lasa ihany ny olona, fa isika kosa miha maniry midina ohatran’ny rambon’osy satria ny hambo sy ny fireharehana no betsaka fa ny vokatra tsy hita veroka. Lany andro mirehareha sy miedinedina eny “miwerawera” etsy sy eroa, ary tsy ny fanatsaram-pitantanana mba hiadanan’ny Malagasy no hihazakazahana fa ny kajy politika maloto hiobodoana fahefana amin’ny fomba rehetra. Tsy adala ny olona, ary tsy mila basy aman-tafondro, tsy mila propagandy, tsy mila fizaran-javatra sy fanambatambazana samihafa,… dia lany indray raha tena mamim-bahoaka marina. Inona no sehatra tsy mikaikaika eto ankehitriny: ny mpanondrana entana miantso vonjeo satria volosana amin’ny volabe samihafa, ny orinasam-panjakana betsaka no mikolay satria tsy voaloa ny karama, ny sendika toy ny mpitsara manambana hitokona indray, ny tsy fandriampahalemana manao ny ataony,… Ny toekarena moa miha mitotongana andro aman’alina, raha tsy hilaza afatsy ny sandam-bola. Tena tontolo roa samihafa tokoa angamba no misy ny entina sy ny mpitondra matoa mbola nisy ny sahy nilaza fa tsy misy krizy eto, ary rehefa tsy handroso amin’izao fitondrana izao I Madagasikara tsy handroso intsony? Fa ny inona amin’ny vatana loatra no mijery e?
Toky R

 

Dans la même rubrique

Card image cap
Hiandry rombo vao ho taitra a !
02-juin-2023

Mihazakazaka ny fotoana, miha hatomotra ny fotoana hanaovana fifidianana raha ho voatazona amin’ilay vinana tetiandro natolotry ny vaomieram-pifidianana,…

Card image cap
Tena mahantra
01-juin-2023

Mamono miadana toy ny homamiadana ankehitriny ity fahantran-dRamalagasy ity. Tena mahantra isika ary maro no heverina fa fomba azo hanazavana azy saingy toy ny tongom-bakivaky moa izy ity,

Voir plus