airtel

Edito

05-janv-2023

Edito

Ny tarehimarika fotsiny no miova ?

Sample post image

Ny taona vaovao tahaka izao dia fotoana fanombohan-javatra sy tetikasa na vina hiroso amin’ny tsaratsara kokoa. Fanamby lehibe ho an’ny isam-batan’olona,

05-janv-2023

ankohonana, tokantrano, eny fa ny firenena mihitsy aza. Mila fahaizana maka lesona tamin’ny lasa anefa ahafahana manatsara kokoa ny mety ho tsara vita teo aloha. Mitaky finiavana sy fikirizana mba tsy ho lasa revin-gadra sy nofy ririnina fotsiny ka sanatria ho ny tarehin-tsoratra 2022 fotsiny no niova ho 2023 fa ny lasi-tsaina hoenti-manatanteraka ilay fanamby vaovao mitovy ihany, hany ka lasa fanaovana ariary zato am-pandriana no betsaka. Mifankaiza amin’izany moa ny fomba fitantanana ankehitriny? Ilay mpitondra efa teo hatramin’ny 2019 ihany no mbola eo, ny fomba fiasany sy firesany ary fisainany efa hatramin’ny 2009 ihany no toa mbola entiny mandrak’ankehitriny. Velirano sy fampanantenana efa tamin’izany vanim-potoana izany ny sasany izay mbola tanisana handresen-dahatra ny vahoaka mba hinoan’ireo azy. Omaly hafa no lazaina, rampitso hafa no teniny, ary matetika mifanohitra tahaka ny atsimo sy avaratra. Anjaran’ny rehetra no mijery sy mitazana ary mandray lesona hoe: mbola fotoan’ny fandresen-dahatra ny valalabemandry ve izao fa hanao an’izatsy sy izaroa sa tokony ho efa fotoana hiotazana ny vokatry ny safidy politika? Raha efa nomena herijika nandritra ny 5 taona in-droa miditra na nisy elanelany aza ve ny mpitondra fanjakana iray sy antoko mpiara-dia aminy kanefa toa fihemorana no naterany satria izy efa tsy hiova sy tsy hanaiky ny lesoka ao aminy dia mbola antenaina fa hanao fahagagana amin’ny 5 taona fanintelony? Tsy misy olona iray handeha hilatsaka ho filoham-pirenena dia ny hoe: hamotika sy handrava an’I Madagasikara no tanjony. Matoa tonga amin’izay toe-javatra miiba izay dia efa izay no fara-fahaizany sy ny ekipany, asakasakasak’izay mbola mino sy mahatoky fa hisy ny fahagagana avy amin’izao fitondrana izao. Akoho tsy nananeo ohatr’izay efa lany kary e! Tanalahy very sampy ka tsy ny manova ve no mety!
Toky R
 

Dans la même rubrique

17-avril-2024

Tsy fotoanan’ny fanomezan-tsiny intsony izao, hoy ny fehezan-teny matetika fambaran’ny filoham-pirenena

Card image cap
16-avril-2024

mason’ny mpanara-baovao anio. Efa fantampatatra ihany anefa no hitranga satria omaly hariva ihany dia efa nandeha ny didy tsy azo ivalozana maro.

Card image cap