airtel

Edito

12-sept-2024

Ny vanona tsy vonona,

ny vonona tsy vanona ?

Sample post image

Herinandro izay no lasa tamin’ny fe-potoana ahafahan’ireo kandida ho ben’ny tanàna sy mpanolontsaina monisipaly

12-sept-2024

manatitra ny antontan-taratasiny. Ny 99%n’ireo kaominina manerana ny Nosy anefa mbola tsy nahavaky atody hatramin’ny omaly maraina. Eo ilay toe-tsaina miandry farany, saingy toa tsy tena izay ny zava-misy fa tena malaina ireo te ho kandida noho ny antony maro samihafa, ary manampy trotraka ny fahasarotana, ampian’ny anto-bola midangana, ny kajikajy politika maloto,… Tsy finiavana hiampanga mialohan’ny fotoana, fa tena miteraka fahakivian’ireo olom-pirenena mba mieritreritra hitondra anjara biriky amin’ny kaominina misy azy ireny fanasarotana samihafa ireny. Manampy trotraka ny mety ho don-tandroka samihafa ka ahiana hiverina sy hitohy hatrany ny hoe : ny antokom-panjakana ihany no tena hanana kandida handrakotra ny kaominina rehetra manerana ny Nosy, na mety hisy sarintsarina kandida mahaleotena manana firehana sy loko politika tahaka ny tamin’ny fifidianana depiote teo eo anatrehan’ny efa tsy fankasitrahan’ny vahoaka ny lokom-panjakana intsony, izay efa hita taratra tamin’ireo tanàn-dehibe maro tamin’ny fifidianana ben’ny tanàna teo. Hakisakisaka hatrany ny tena olona vonona hanompo sy hampandroso tanindrazana, ka loko sy fijery tokana hatrany no tiana hampanjakaina eto. Izao angamba ilay hoe : ny vanona tsy vonona, ary ny vonona tsy vanona ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

7 taona mahery no nitondràny amin’ny maha filohan’ny repoblika malagasy azy,

Card image cap
28-mai-2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

Card image cap