airtel

Edito

31-oct-2022

Edito

Ny vava no tsy atao be…

Sample post image

Tsara kokoa ny mahafehy ny fahanginana toy izay andevon’ireo teny natao, hoy ny poeta anglisy, William Shakespeare izay.

31-oct-2022

Mbola tsaroana ny fivoizan’ireo mpiaradia sy mpanaradia ny filoham-pirenena ankehitriny ny fanontaniana hoe “Ny lalana angaha azo hohanina?” tamin’ireny vanim-potoana nafana ny taona 2009 ireny. Vao andro vitsy lasa izay no nanao fanambarana ny filoham-pirenena fa hamita lalana manodidina ny 10.000 km ao anatin’ny 5 taona. Niezinezina indray ny fanambarana nandritr’ilay hoe tombana momba ny paikady enti-manavotra an’I Madagasikara na PEM teny Ivato ny faran’ny herinandro teo. Hoy indrindra andriamatoa filoha, "Niha simba hatrany ny lalana eto Madagasikara. Raha 50.000 km ny lalana azo nandehanana sy nifamezivezena tamin'ny repoblika voalohany dia tsy misy afa-tsy 15.000 km sisa izany ankehitriny. Ny lalana no lalandràn'ny firenena ary tena ilaina amin'ny fampandrosoana.", hoy izy. Andeha angamba atao hoe tsy izy mivantana no nanohitra izany voalaza izany tamin’ny andro lasa fa ny ekipany saingy na tiana na tsy tiana ny atao hoe fitondrana dia tsy olon-tokana fa ekipa sy rafitra iraimanontolo. Teny heno matetika hatramin’izao rahateo ny hoe tsy ny filoham-pirenena no ratsy fa ireo manodidina azy. Andeha atao hoe na ny kabarin’ny filoha amin’ireo fotoan-dehibe koa aza angamba, mety tsy izy tenany, no mandrafitra azy fa ny ekipany. Na aiza na aiza firenena koa moa dia izay no fanao. Ny arofenitr’ilay filoham-pirenena no matetika mamolavola sy miara-mikaon-doha aminy ny tokony ho lazainy anaty fandraisam-pitenenany. Nandalo teo daholo moa ny resaka “coton de Tulear”, ny omby vosotra, ny MIAMI, ny Fly Over sy ny rehetra fa dia ny vava, hoy ny fahendren-drazana no tsy atao be, sarotra ny mamerina azy. Tsy hisy hivavaka hoe Andriamanitra o! Ataovy fadiranovana angamba ity firenenay ity, raha mbola olompirenena tia tanindrazana ihany, fa dia mbola miandrandra fivoarana hatrany. Miasa mafy isika na dia tsy ho vita manontolo ny fanarenana an’I Madagasikara, hoy indray ny filoham-pirenena amin’izao fotoana izao, fa angaha moa tsy hoe ho vitaintsika ao anatin’ny 5 taona indray ny tsy vitan’ny rehetra teo aloha tao anatin’ny 60 taona ?
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

07-mai-2024

filoham-pirenena toa tsy mahatombon-tsiraka fa mahita dia ho aleha ity foana.

Card image cap
06-mai-2024

na mpanao politika dia tena maniry ny hahapotika sy haharava ny firenena

Card image cap