airtel

Edito

05-mai-2022

Edito

Petatoko lava

Sample post image

Isan’ny Fanjakana hafahafa fiasa indrindra tao anatin’ny 60 taona ity Fitondrana ankehitriny ity. Matetika hita taratra foana ny hoe :

05-mai-2022

manao zavatra na mandroso zavatra hotanterahina vao misaina sy mieritreritra, antony goavana mampigebona na mampitsefotra ny vina sy ny programan’asa na fanapahan-kevitra. Adihevitra goavana indray io ankehitriny ny resaka fanondrotana karama ho an’ny sehatra tsy miankina. Tena zavatra tsara sy ilaina fa ny fomba hoenti-manatanteraka azy kosa no hafahafa. Boriboriana tsotra amin’ny hoe: tsy handoa ny adidy na latsakemboka any amin’ny CNaPS ny mpampiasa, fa halefa any amin’ny karama iny, ary ny Fanjakana kosa no hanefa izany vesatry ny orinasa izany any amin’ny CNaPS. Inona no antoka sy porofo ahafaha-manamarina fa tena handoa izany ny Fanjakana? Tsy loza mandindona hatrany amin’ny vola fisotroan-dronon’ny beantitra ankehitriny sy any aoriana ve? Fepetra vonjikamaika ihany sa ho lamina hitoetra mandaban-taona? Raha ny làlan-tsaina nentin’izao fitondrana izao mantsy, ary hita taratra, dia izy ireo no maka ao kanefa ity hivadika ny rasa. Adihevitra teto ny hoe: ny volan’ny CNaPS no nandoavana ny karaman’ny mpanazatra ny ekipam-pirenena, nanao findramam-bola 11 miliara Ar tao ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, ny Filoham-pirenena nilaza ny janoary 2020 fa misy 300 miliara Ar azo hanaovana fotodrafitrasa tahaka ny “building”,… Ny Fanjakana miha tsy manam-bola, ary mitady izay hevitra rehetra hidiran’ny volan’ny tahaka ny resaka hetra midangana na “redressement fiscal” araka ny taratasy nivoaka vao volana vitsy izay. Aiza ve ka ny hetra takiana aza ny sasany ambony noho ny renivolan’ny orinasa,… Sao mba mbola politikan’ny petatoko hatrany indray ity, ka efa midona amin’ny rindrina vao ho taitra sy hilaza indray fa tsy andron’ny fifanomezan-tsiny intsony izao? Tsy adala ny Ntaolo niteny fa ny valala tsy an-tànana tsy atolo-jaza, ka sao ho toy ny fampiesonana maro tamin’ny propagandy na koa ho tahaka ireo fampanantenana zavon-tany rehefa azo ny fitondrana kanefa tsy tanteraka? Tena mila jerena aloha ny any am-paosy vao miady varotra! Be loatra ny petatoko amin’ny fitantanana firenena eto, maro ny tsy fahamatorana ara-pitantanana,… ka lojika raha miahiahy ny olom-pirenena. Ny olana maro samihafa etsy andaniny mitombo sy miha matevina fa tsy mihena! Rahoviana no mba hiova ho fahamatorana ny politika sy ny paikadim-pitantanana petatoko lava e?
Toky R
 

 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

ary ny fitondrana mihitsy no mandrehitra toa manao izay hampiakatra ny maripana,

Card image cap
27-mars-2024

heveriny fa mahomby hatrany ny fandrangarangana miaramila sy fitaovam-piadiana,

Card image cap