airtel

Edito

25-janv-2023

Edito

Politikan’ny fizarazarana

Sample post image

Hatrany amin’ny ambaratonga fototra no efa nampianarina fa politikan’ny “mpanjanantany” na ny marimarina kokoa, mpanandevo tany na “colonisateur”,

25-janv-2023

hoy ireo mpandinika, ny hoe “zarazarao hanjakana!”. Ny antsipiriany mikasika an’izay moa betsaka ary tsy ho ampy hanazavana izany mihitsy na dia ny pejy rehetra ato anatin’ity gazetintsika ity aza. Ohatra vitsivitsy azo lazaina fotsiny angamba ny tany amin’ny taona 1985 tany ho any no efa naniraka ny mpahaiolona na “anthropologue” antsoina hoe Pirolier teto ny frantsay, izany hoe, talohan’ny naha babo antsika ny taona 1986 io mba hamantatra ny fahalemen’ireo vondron’olona misy eto. Nanana ny ekipany niara-niasa taminy tao anatin’izany ity manam-pahaizana ity ary isany moa ireo mpahaivondronolona na “ethnologue” nivondrona tao anatin’ilay antsoina hoe ORSTOM na “Organisation de recherche scientifique du territoire d’outre mer”. Efa taty amin’ny 1905 taty ho aty indray ireo no heno niaraka tamin’ny famaritana ratsy na “qualificatif” nomeny ireo mponin’ny foko nosokajiany ho 18 isa eto Madagasikara. Vokam-pikarohana frantsay noraketiny tao anatin’ny tatitry ny ORSTOM izany no nivoahan’ny hoe “merina malama loha”, “betsileo jokotsoriaka”, betsimisaraka hakamoana”, “tandroy fangalarana” sy ny ambiny rehetra. Santatry ny zarazarao hanjakana teto izany. Nitohy tamin’ny hoe MDRM an’ny merina sy PADESM ho an’ny tanindrana na “cotier”, hoy ny frantsay, satria hono ireto farany tsy manan-kolovaina eto, araka ny fanalavana ny antoko hoe “Parti des déshérités de Madagascar”. Niteraka fizarazaran’ny samy malagasy daholo izany rehetra izany sy ny tohiny hafa tsy voatanisa dia gaga moa isika ankehitriny fa mbola mahita endri-pitondrana toy izany mibaribary ihany ao anatin’izao fitondrana iainana eto izao. Nezahana nozarazaraina ny mpanao gazety tamin’ny fotoana nisavorovoroan’ny tontolon’ny fanaovan-gazety nandritry ny fifidianana izay ho filoha sy birao mpitantana azy. Ankehitriny dia io indray ny fampidirana ilay politika ao anatin’ny tontolon’ny kolontsaina na artista, hoy isika amin’ity resaka olan’ny OMDA ity. Minisitera tokana no mahavita sy mampangotraka izany raharaha rehetra izany.

J. Mirija


 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

fitondrana ity amin’izao fotoam-piasana faharoa nidirany izao.

Card image cap
18-avril-2024

ireo tafiditra ao anatin’ny hazakazaka ho eny Tsimbazaza.

Card image cap