airtel

Edito

27-avril-2023

Edito

Raikipohy hafahafa

Sample post image

Samy efa saiky miaiky daholo izao ny herivelona misy eto amin’ny firenena na mpitondra io na mpanao politika na fiarahamonim-pirenena

27-avril-2023

na iza na iza fa misy tsy milamina ny rafitra rehetra misy eto. Ny any amin’ny resaka fitsarana, hita izany! Ny minisitera isan-tokony, misy an’izany. Ny fiadidiana ny repoblika sy ny primatiora koa, iny mihitsy aza moa no tena fitaratra voalohany rehefa misy sampona mitranga. Efa adihevitra nandritry ny fotoana maro ihany moa izao iny ilay hoe fanomezana avy amina fikambanana iraisampirenena Kristianina natolotra ny mpitondra malagasy ho zaraina tamin’ny Krismasy mba hitoriana filazantsara kinanjo nozarain’ny filoham-pirenena tamin’ny anarany hatrany amin’ny hafa finoana. Dia nisy mpitondra fivavahana iny omaly hoe nandefa taratasy tany amin’ilay fikambanana iraisampirenena hitaterana izay zava-misy, izay raha tena sanatria izay tokoa no marina, dia tena henatra ho an’ny firenena manontolo mihitsy fa tsy ilay filoham-pirenena ihany. Lafiny sosialy izay fa ity resaka fanagadragadrana izay tsy mitovy fomba fijery amin’ny tena ity koa dia io tsy mety mifarana hatramin’izao io fa nanomboka tary amin-dry Berija sy ry Rolly dia io izy io fa tonga aty amin’i Ninie Donia. Na ny fianakavian’ity farany aza niaiky fa politika ilay izy. Etsy ankilany, manakaiky ny fifidianana dia mbola eo toy ny taloha elabe ihany ny resaka olana momba ny lisitra sy ny fikarakarana amin’ny ankapobeny dia manahy korontana ny mpanao politika sasany. Ny sasany manahy halabato dia raikipohy hafahafa toy izany foana no miverina eto amin’ity firenena ity. Raikipohy handrombahan-tseza fa tsy mba hifaninanana hitondrana fampandrosoana tena izy na fara-fahakeliny fanarenana ilay firenena. Rahoviana ihany izany vao mba hisy mpitondra sy mpanao politika ho tonga saina fa hitondra antsika any amin’ny faharavana tanteraka izao raikipohy hafahafa izao? Mbola tokony hatory ihany ve maheno izany hoe 20%n’ny tany eto sisa no mba ana-malagasy izany kanefa dia milaza azy ho samy manam-pahaizana sy nandia fianarana daholo?
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

07-mai-2024

filoham-pirenena toa tsy mahatombon-tsiraka fa mahita dia ho aleha ity foana.

Card image cap