airtel

Edito

13-nov-2023

Rano raraka!

Rano raraka, hoy ny fiteny! Mba tsy

Sample post image

hilazana hoe rà raraka no nanondraka an’Antananarivo tao ho ao, herinandro tsy hahatongavan’ny 16 novambra,

13-nov-2023

izay daty nambaran’ny HCC fa hanatontosana ny fifidianana isika izao. Raha anaty fotoanan’ny fampihelezankevitra aza izao no zava-misy dia hanao ahoana izany no hitranga afaka 7 andro, hoy ny kandida ho filoham-pirenena, Tahina Razafinjoelina, izay? Miha mahery vaika hatrany ny herisetra ataon’ireo heverina ho mpitandro filaminana, raha ny hita maso hatramin’ny omaly aloha. Nisy sampana misahana izany mihitsy nitondra fanazavana fa “force de l’ordre”, izany hoe raha ara-bakiteny dia herin’ny filaminana no fiantsoana azy ireo fa tsy zavatra hafa akory. Miha mahery vaika koa nefa etsy ankilan’izay ny fihetsik’ireo olompirenena niharitra nanao hetsika am-pilaminana efa ho iray volana mahery izao manoloana ny heverina fa fitanilana hasehon’ny fitondrana mahefa manoloana ny toe-draharaha ankehitriny. Tsy misy tsy miafina intsony izany ao anatin’izao andron’ny tekinolojia izao. Hita nazava be ny fisamborana depiote toy ireny fisamborana kisoa ireny, sanatrian’izany. Ny namoahana an-tsokosoko ireo be sandry na “gros bras” teny Fiadanana teny. Mahatsiaro ho tandindonin-doza hatramin’ireo mijanona any an-tokantranony izay mampiana-janaka sy manana fianakaviana manohy ny asa aman-draharahany an-davan’andro na dia tsy manaraka ity hetsika fitakiana fahamarinana tarihin’ireo kandida miisa 10 ity aza. Tsy mahagaga raha miakatra ny maripana politika. Toy izany koa ny tolona miha miofo ho revolisionina, hoy ny filazan’ireo tanora mafana fo amin’izany hita teny an-kianja teny. Toa tsy mahagaga, mihoatra izany rehetra izany anefa, raha miha sesilany koa ny antso ho amin’ny fandraisan’andraikitry ny tafika satria dia heverin’ny maro fa efa miha mivoana amin’ny antsoina hoe tany tan-dalàna tanteraka ilay firenena malagasy nefa inoana angamba fa tsy hisy hahazo tombontsoa raha sanatria hiofo ho rotaka izany atsy ho atsy!
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

7 taona mahery no nitondràny amin’ny maha filohan’ny repoblika malagasy azy,

Card image cap
28-mai-2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

Card image cap