airtel

Edito

11-mai-2023

Edito

Rava arofanina

Sample post image

Rava arofanina tanteraka ankehitriny ny fiarahamonina malagasy, ny kolontsaina malagasy, ny fomba malagasy, eny, ny fiainam-pirenena malagasy amin’ny ankapobeny mihitsy.

11-mai-2023

Izay ilay hoe tsy misy «repère» na arofanina intsony. Very tsinjodia, hoy ny mpandinika sasany. Tsy misy intsony eto ny etika politika, hoy ny mpanao politika ela nihetezana. Gaga ianao mahita olona heverina ho manam-pahaizana sahy miteny fa raha misy manome 10 miliara anareo mpitsara dia raiso. Tsy any amin’ny hoe mety ve izany sa tsy mety intsony no resaka eto fa hoe olona toy ireny ve dia sahy milaza zavatra toy izany? Anatin’ny fihazakazaky ny tekinolojia koa moa isika io dia ireny koa izany fa lasa lamaody ny mifamaoka tsiambaratelo eny anivon’ny tambazotran-tserasera amin’ny alalan’ny fisamborana ireo resaka anaty hafatra miafina. Neverina fa mba soatoavina maoderina fanajan’ny olona atao hoe nianatra na koa hoe mba nianatra ihany teo aloha teo ny tsy famoahana izany na inona na inona raketiny saingy indrindra fa dia eto Madagasikara moa ilay izy dia toy ny ireharehana mihitsy, sanatriavin’ny vava, ankehitriny. Na mpitondra fanjakana, na mpanao politika, na mpahay lalàna, na administratera sivily, eny, hatramin’ireo mitonon-tena ho mpanabe sy ny maro an’isa tsy voatanisa dia saika ahitana izany daholo izao. Dia hahagaga ve raha tsy hisy intsony ny fifampitokisana eto amin’ity firenena ity? Vao mainka miharihary mihoatra noho ny andro taloha ankehitriny fa ny kibay an-kelika ihany ho an’ireo mpisehatra politika eto amin’ity firenena ity rehetra? Mody hoe tsy miady tsy miady fa ny hevitra no ampiadiana. Tsy maintsy adihevitra tokoa ve moa izany no atao fa tsy mba mety ho fifanakalozan-kevitra mihitsy. Izany fivoizana fihavanana na fampihavanana izany moa aza angamba dia tena tononina any an’eritreritra any mihitsy hoe any ivohoko ianao ry Satana! Ahoana no haharesy lahatra ny vahoaka ny amin’ny tokony hanarenana izao toe-draharaha izao raha toa ka mbola hita ho miverina ny fanamarihan’ny SADC tamin’ny fotoan’androny hoe fitondrana tsy misy kalitao ?


J. Mirija


 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Tonga indray ity ny vanim-potoanan’ny fifidianana

Card image cap
23-avril-2024

famohazana ny fata-maty amin’ireo tetikasa efa nalevin’ny fotoana lazaina fa hatao,…

Card image cap