airtel

Edito

23-oct-2023

Edito

Resaka mandany andro!

Sample post image

Ny alin’ny zoma tamin’ny 7 ora sasany tany ho any vao nomena alalana hifamory tetsy amin’ny Coliseum

23-oct-2023

Antsonjombe ireo kandida ho filoham-pirenena miisa 11 ho amin’ny ampitson’io, izany hoe ny sabotsy. Nanodidina ny ora 3 monja no mba afaka nanao fanentanana ny olona ho avy teny an-toerana ireo mpanentana isan-tokony. Tonga tsikelikely ny olona. hipoka ihany no niafaran’ny kianja. Toy ny efa fiasan’ny ekipan’ny fitondrana Rajoelina hatramin’ny taona 2009 ihany anefa no fiasany hatramin’ny sabotsy teo. Sarin’ireo olona vao nanomboka niditra ny vavahady no nolalaovina sy tonga amin’ilay voambolan-drizareo angamba hoe “nandemena ny sain’ny mpanara-baovao”? Nezahana nanasana ny atidohan’ireo mpitazana fa vitsy an’isa ny mpanaradia ireo kandida miisa 11 dia resaka mandany andro, mba tsy ilazana hoe sain-jaza, toy izany foana no mba nitondrana ny hadihevitra teto amin’ity firenena ity nandritry ny 14 taona! Fantatra mazava anefa fa tsy mari-drefy intsony ny resaka famoriam-bahoaka, fara faha haingana, nanomboka ny taona 2018 na talohan’izay mihitsy aza! Iza tamin’ireo kandida nilatsaka ho filoham-pirenena tamin’ireny moa no tsy nahazaka “vahoaka” marobe rehefa namory “vahoaka”? Samy efa mba nanana toerana naha feno hipoka mpijery daholo na ireo kandida neverina ho vaventy na ireo kandida neverina ho madinika kanefa tsy nifanaraka tamin’izany akory avy eo ny vokatra nivoaka tary amin’ny vata fandatsaham-bato tary? 81%n’ny malagasy, hoy ny banky iraisampirenena no mahantra eto amin’ity Madagasikara ity. Isan’ireo firenena miisa 4 mahantra indrindra eto ambonin’ny tany isika androany. Tsy nahavaha olana ny mpitondra voafidy rehetra nandalo, indrindra fa ilay farany teo, raha ny tarehimarika maro no iverenana jerena. Ekena, tsy mahavaha olana koa hatreto ny kandida miray hina mitety tanàna, araka ny fomba filazan’ny mpanohana fitondrana azy. Rehefa samy tsy nahavaha olana aza izany hatramin’izao na ny fifidianana nandalo na ireo fihetsiketsehana an-dalambe isan-karazany, inona no antony tsy hiaraha-midinika vahaolana hafa tokoa na an-databatra boribory io na lavalava na efajoro na ahoana na ahoana?
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

16-mai-2025

olom-pirenena zary mety mahalala tsianjery

Card image cap
15-mai-2025

kanefa dia ireny niaraha-nahita ireny fa hipoka olona ny kianja goavambe eto Antananarivo

Card image cap