airtel

Edito

03-oct-2022

Edito

Resin’ny tsindrihazolena ?

Sample post image

Mahavalalanina hatrany tokoa ny zava-misy eto amin’ity firenentsika ity. Mihalalina hatrany ny hantsana manasaraka ny mahantra sy ny manan-katao, ny mpitondra sy ny entina,…

03-oct-2022

Zary mandeha ho azy sy mandeha ila tahaka ny kiraron’i Beminà ny zava-drehetra, samy maka ho azy, samy manana ny manahirana azy. Mihen-danja sy toa mitady hilaozan’ny toetr’andro izany tamberin’andraikitra ho an’ny vahoaka izany, fa ny zava-misy dia toa lasa tapi-maso, sehoseho ivelany,… Toa voataiza hanaiky ny tsy mety sy ny tsy rariny ny vahoaka? Voasasa atidoha fa mila manaiky sy miandry, mila mikipy eo anatrehan’ny fahotana mahafaty ataon’ny mpitondra, mila mandefitra fa raha izao no mbola hitroatra sy hiditra krizy dia vao mainka hihitsoka ao anaty fahantrana,… Ny tena zava-misy anefa, dia tonga amin’ilay hiran’ny mpanankato iray hoe: “ny sitrapony vitany fa feheziny!”. Sarotra aminy ny hanitsy ny diany, fa ianao sasany atidoha lava hanaiky lembenana ny hadalany, ny tsindrihazolena, ny fampahantrana,… Ny volamena misy manondrana andro aman’alina fa vitavita ho azy, ny solika misy mangalatra sy manapoka fa ny pirina ihany no manefa, ny volam-panjakana fongana noho ny afera sy fanodinkodinana ny ankabetsahany, ny trondro any anaty ranomasina lazaina fa hikambanana amin’ny vahiny ka atao variboba mba tsy hilazana fa omena fotsiny,… Ny mpangalatra amina miliara miriaria fa ny mpaneho hevitra amin'ny Facebook midoboka am-ponja. Toa ny zavatra tsy mety sy tsy manjary eto no lasa mivadika ho fenitra ka asa hoe: izay ve ilay tsy nisy tao anatin’ny 60 taona tanterahana? Etsy andaniny, mbola sahy milaza sy miteny fa izao no tena fandrosoana, ny tan-dapa jamban’ny seza mbola sahy maneso vahoaka fa tsy handroso intsony I Madagasikara raha tsy handroso amin’izao fitondran’ny patron-ny izao. Ny sasany indray milaza fa ny vidin-tsolika eto no mora indrindra maneran-tany, tsy an-kijery ny fari-piainana sy ny fahefa-mividin’ny Malagasy. Ireo natao hisolo vava ny vahoaka hanaitra ny mpanatanteraka hijery ny valalabemandry mahasahy miteny fa Andry Rajoelina no patron-nay! Hoentina aiza marina ity firenena ity e? Izao tokoa ve no antsoina hoe: fandrosoana? Tena resy tanteraka manoloana ny fanabadoana manara-penitra sy fahantrana miaro tsindrihazolena ve ny Malagasy ka miandry ny rariny sisa?
Toky R
 

Dans la même rubrique

22-avril-2024

amin’ity firenena ity ary «Rafahafahana»? tsaroana, 7 taona lasa teo izay,

Card image cap
19-avril-2024

fitondrana ity amin’izao fotoam-piasana faharoa nidirany izao.

Card image cap