ka tsy maintsy mitady hevitra ahafahana mitady fandresena ny Filoha ankehitriny sa dia ilay fomba fanao mahazatra mba hampitonitoniana ny toe-draharaha politika eto. Hanova governemanta anefa dia hanao inona sy hahavita inona? Tsy hanova governemanta ihany koa anefa dia inona no fiantraikany? Ny sary misy ankehitriny, dia maneho ny ady an-tranon’ny fitondrana Rajoelina. Ny mpanohitra efa iaraha-mahita fa manohitra ary efa mpifanandrina fantatra mazava sy miharihary. Mbola hanaovana politika hampizarazarana azy aza handemena azy, ary hita taratra izany. Ny ao anatiny kosa anefa, misy mifanipaka tahaka ny valala an-karona, raha tarafina amin’ireny hoe: olom-boafidin’ny IRD no midina an-dalambe mitaky fialana minisitra ao anatin’ny governemanta. Sarotra ny fandidiana ho an-dRajoelina satria handroso maty Raibe, hihemotra maty Renibe. Tsy te ho ratsy eo anatrehan’ny zava-misy kanefa toa karazan’ny miompy varatra ihany koa indraindray. Na tiana na tsy tiana, betsaka ny lesoka ao anaty governemanta, misy olona aza toa manaratsy endrika ny fitondrana manontolo, ary lasa miteraka fisaraham-bazana amin’ny samy olon’ny fitondrana. Betsaka anefa no toa tsy sahy kitihana satria mety mahalala tsiambaratelo maro, mety misy olona henjana miaro,… Mbola fanontaniana mipetraka mandrak’androany hoe: feno ve ny fahefan’ny Filoha hanala sy hanaisotra izay heverina fa tsy dia mety loatra na mety aminy fa mety ho poizina eo anatrehan’ny mpanara-dia azy ? Manahirana e.
Toky R
Mihazakazaka ny fotoana, miha hatomotra ny fotoana hanaovana fifidianana raha ho voatazona amin’ilay vinana tetiandro natolotry ny vaomieram-pifidianana,…
Mamono miadana toy ny homamiadana ankehitriny ity fahantran-dRamalagasy ity. Tena mahantra isika ary maro no heverina fa fomba azo hanazavana azy saingy toy ny tongom-bakivaky moa izy ity,