airtel

Edito

23-janv-2023

Edito

Saina fa tsy fo

Sample post image

Ireo mpianatra nandalo ambaratonga fototra ka teraka talohan’ny taona 2000 dia ankavitsiana angamba, raha nisy, no tsy nampahalalana izany antsoina hoe “réaction primaire” sy “réaction secondaire” izany.

23-janv-2023

Ny “réaction primaire” moa ilay fihetsika maika tsy mieritreritra ela fa avy dia mandray fepetra. Ny “réaction secondaire” kosa dia fihetsika aorianana fiheritreretana tsara mialohan’ny handraisana fanapahan-kevitra. Avadibadio im-pito ny lela, hoy ny fahendren-drazantsika. Vao haingana ny minisitra teo aloha iray no nilaza fa tsy fihetseham-po ny fitantanana firenena. Saina fa tsy fo no tena mila ampiasaina ao anatin’io no dikan’izany. Inona moa no idiran’izany fampidirana rehetra izany amin’ny raharaham-pirenena ankehitriny? Iaraha-nahita ny fampanantenana sy fanapahan-kevitra kimaimaika noraisin’izao fitondrana izao tao anatin’izay 4 taona izay. Vao farany teo izao na ny olompirenena tsotra aza velom-panontaniana rehefa naheno hoe tsy anarahana harofenitra intsony ity fanamboaran-dalana ity satria efa maika na ahamehana. Tena ao anatin’izao rivodoza izao mihitsy ve, hoy ny fanontaniana? Ho ataontsika ao anatin’ny 5 taona izay tsy vitan’ny hafa tao anatin’ny 60 taona. Vokatry ny saina ve izao izany sa vokatry ny fo? Toy izany koa ireny hoe “hamboly coton de Tulear”, “Haka taranaka amin’ny omby vosotra”, “Vary tsy vokatra raha tsy afaka 2 taona” ireny. Ny hoe hanao Tanamasoandro, Miami, Fly Over, Lala-migodana. Fo mientanentana fotsiny ve dia hoe andao hanao an’ireny sa tena efa nosainina lalina? Niaraha-nahita daholo ireny ny hopitaly sy toeram-pianarana na trano fiadidiana raharaham-panjakana mihitsy izay nolazaina fa manara-penitra nefa mirodana ho azy na mitete. Hany ka hatramina mpitondra fivavahana aza toa mitady ho tampenam-bava tsy hitory teny manitsy ny fomba fitantanana eto amin’ity firenena ity. Izay tokoa angamba no tonga amin’ilay tononkiran’I Samoela vao nivoaka vao haingana hoe “marenina aloha dia tonio ny fo”!
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Mihazakazaka any amin’ny fanenjehana ireo mpifanandrina ara-poto-kevitra aminy hatrany ny fitondrana,

Card image cap
24-avril-2024

Tonga indray ity ny vanim-potoanan’ny fifidianana

Card image cap