airtel

Edito

17-août-2026

Samy manam-petra!

Tsy hisy tsy hiaiky hoe

Sample post image

samy manam-petra ny zava-drehetra

17-août-2026

eto ambonin’ity tany ity. Samy manam-petra ny fitondràna mifandimby! Nanam-petra teto amin’ny firenena izao ny fitondràna faha mpanjaka ary ireo mpanjaka nitondra fahiny koa dia samy voafetran’ny fahafatesany avy ny fitondràny. Toy izany koa ireo mpanjaka tany amin’ireo firenen-kafa sy ireo firenena mbola miaina izany rafitra mpanjaka izany amin’izao fotoana izao. Ho an’ireo firenena miaina repoblika moa dia ny fotoam-piasàna na «mandat» no mametra azy. Resaka fetra ara-potoana izay fa eo amin’ny fahefàna koa dia samy manana ny fetrany daholo. Ny filohan’ny fanavaozana ankehitriny irery no sahy niaiky izany hoe mbola miankidoha ara-toekarena sy politika isika. Izay nitondra teo alohany rehetra nefa izao inoana fa nahalala tsara izany fetra izany avokoa saingy tsy hita moa ny azo ilazàna azy hoe nihatsara ivelatsihy ve sa namita-bahoaka tsotra izao ka dia mbola nisy niezaka nampihevitra ny malagasy ihany fa tena mahaleotena amin’izany lafiny izany tokoa ny firenena? Tao ny mpitondra voafetran’ny zom-pirenena niniany nalaina rehefa ampy ny taonany. Tao ny nalaza ho voafetran’ny teritery ataon’ireo manodidina azy. Tao ny voafetran’ny fanompoana fianakaviambe iraisampirenena. Isaky ny misy olana izao dia ny handaza any foana no nahamaika. Tao ny voafetran’ireo firenena niarahany niasa koa nefa na mbola izay vondrona iraisampirenena izay ihany. Fetra amin’ny maha olombelona daholo izany rehetra izany ary na ity izao tontolo izao ity aza moa dia tsy ireo boky masina amina finoana samihafa ihany no milaza azy ho manam-petra na tsy maintsy ho rava koa indray androany fa na ny rafitra siantifika heverina hoe isan’ny matanjaka indrindra eto ambonin’ny tany dia efa namoaka voka-pikarohana milaza izany fetra izany. Ny Naza izao efa namoaka fa any ho any amin’ny taona 2084 any ho any dia tsy azo iainana intsony ity tany ity ka tokony efa ho jerena izany ny planeta hafa azon’ny olombelona hifindràna indray androany. Izay no antony ijeren’ny amerikanina akaiky ny momba ny planeta Mars. Ny mahagaga nefa manoloana ny heverina hoe fetra be dia be iainany dia mbola misy olombelona ihany, indrindra, amina firenena mbola miady mafy amin’ny fahantrana toa an’i Madagasikara no maika hatrany hihinana volam-bahoaka sy mivadibadika palitao politika! Tsy hoe vao izao akory izany fa hita foana tamin’ireo fitondràna rehetra nifandimby teto. Miady sy mifanditra hatrany amin’ny resaka tombontsoa manokana sy seza, hoy ny filazan’ny mpanara-baovao azy. Inona tokoa indray moa izao no tena mampisavoritaka ao Tsimbazaza ao raha tsy izany? Rahoviana ihany isika ity vao tena hijery izay mahasoa izao firenena izao sa hiandry ny fahatongavan’ny fetra zakan’ny vahoaka toy ny nahazatra hatrizay foana? Atsipy, hono, na izany aza, ny teny ho any am-pon’ny mahalala!
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

18-août-2026

na hiatsinana na hiakandrefana isika

Card image cap