miaraka amin’ireo mpiaradia aminy. Rehefa tsy izay dia voizina ho mikononkonona fanonganam-panjakàna foana izao herivelona rehetra ivelan’ny fitondràna efa manamafy hatrany fa te hanolotra vahaolana manoloana ny fahasahiranana isan-tsehatra eto amin’ny firenena izao. Ilay hoe filazàna ny hafa ho fahavalon’ny fampandrosoana rehefa mitsikera ny tsy mety anatin’ilay fitantanana moa dia zary lasa maha vaky loha ny mpamakafaka sasany mihitsy hoe fa izao iainantsika ankehitriny eto amin’ity Madagasikara ity izao ve izany no antsoina hoe fandrosoana. Tena ny tahirim-bola iraisampirenena na ny banky iraisampirenena sy ireo sehatra iraisampirenena mahita fa miha milentika ity firenena ity tokoa ve izany no adala? Raha firenena tsy mahantra, tahaka ny nambaran’ny filohan’ny antenimierandoholona, marina izany ity Madagasikara ity dia firenena tahaka ny ahoana ry Etazonia, izay efa manitatra ny fireneny eny amin’ny planeta Martsa amin’izao fotoana izao na i Chine sy Japon, izay efa tena lasa alavitra amin’ny fifehezana tekinolojia? Firenena efa tsy tokony ho tafiditra anaty fandaharana mikasika ny tondro momba ny fampandrosoana intsony mihitsy ve izany izy ireny fa efa tsy hain’iza ho songonana intsony na hoe «hors normes», hoy ny fitenintsika? Tsy efa mikorontana ve moa izao toe-draharaha izao no mbola mila ho korontanina ihany? Samy manana ny milaminy tokoa angamba!
J. Mirija
izao vokatry ny adin'ny samy ngeza! Mety tsy maharototra ny ankamaroan'ny Malagasy
hitan’ny vahoaka Malagasy intsony izay inoana sy harahina ankehitriny.