airtel

Edito

16-juin-2025

Mihalalina!

Miditra anaty sedra mivaivay indray izao tontolo

Sample post image

izao vokatry ny adin'ny samy ngeza! Mety tsy maharototra ny ankamaroan'ny Malagasy

16-juin-2025

kanefa tena hiantraika hatrany am-bilany. Efa miakatra hatrany amin'ny 10% izao ny vidin-tsolika izay afaka 2 volana vao tokony ho tsapa eto ny fidonany! Mazava ho azy fa hampidangana hatrany ny vidim-piainana. Ny delestazy, olana ara-bola,... efa mangotraka dia mbola hitovana Krizy hafa! Manana vahaolana hanalefahana an'izany ve ny Fitondrana sa sanatrian'ny vava hanilika ny tsy fahombiazana rehetra amin'io zava-mitranga any Moyen Orient toy ny natao tamin'ny covid-19 sy adin'i Ukraine sy Russie io? Mampanongo tena mantsy ankehitriny fa na ny haben'i Madagasikara aza efa hanilihan'ny mpitondra ny tsy fahombiazany ankehitriny. Dia mifampiaro sy miezaka manabado vahoaka eo ka asa rehefa eo antokonan'i Tsimbazaza na Ambohitsorohitra na Iavoloha ve ny fipoahan'ny hatezeram-bahoaka vao ho taitra?
Toky R 

Dans la même rubrique

17-avril-2026

Manahirana dia manahirana

Card image cap
16-avril-2026

dia tsy maintsy ezaka iombonana foana

Card image cap