Ny sasany mioraka A, ny sasany “Ouh”, ny sasany tsy hay intsony izay lazainy na rediredy na ompa fa dia tena hoe samy manao izay tiany tokoa. Mandinika ny raharaham-pirenena ankehitriny dia lasa ny saina satria rehefa maheno ny hoe tsy nifanarahana izany, ohatra, ny latsa-bato nataon’ilay minisitra vao nesorina farany teo mikasika ny toerantsika manoloana ny ady ao Okrainina dia fanontaniana mipetraka ny hoe satria ve izay izany no tian’ilay minisitra dia nataony? Vita ilay izy vao samy mifanome tsiny hoe “tsy mbo za” na “tsy mbo izahay”? Ny praiminisitra manazava sy toa miaro ilay izy tamin’ny filazana hoe tsy Mankato fibodoana tany sy ny toy izany isika nefa ny aty amin’ny fiadidiana ny repoblika toa tsy miombon-kevitra amin’izay ary nanaporofo izany tamin’ny fanalana ilay minisitra. Samy manao izay tiany. Mandeha manao fivahinianana masina ny minisitra sasany. Volan’iza no nentiny tany ary angaha tsy misy asa tokony miandry azy eto? Samy manao izay tiany. Sainam-pirenena hampitana faneva misy kisarisary. “Tsy mbo za” no nahatonga azy iny, hoy ny minisitry ny fitsarana saingy dia navela nanao azy iny ve izany ny tomponandraikitra tao amin’ny tafika tao? Dia tena hoe samy manao izay tiany hatramin’ny farany mihitsy ve izany ?
J. Mirija
Mihazakazaka ny fotoana, miha hatomotra ny fotoana hanaovana fifidianana raha ho voatazona amin’ilay vinana tetiandro natolotry ny vaomieram-pifidianana,…
Mamono miadana toy ny homamiadana ankehitriny ity fahantran-dRamalagasy ity. Tena mahantra isika ary maro no heverina fa fomba azo hanazavana azy saingy toy ny tongom-bakivaky moa izy ity,