airtel

Edito

21-févr-2022

Edito

Samy manohy lalana saingy…

Sample post image

Tohizo ny lalantsika, hoy ny filamatra niendrika baiko nentin’ny filoham-pirenena teo aloha, Marc Ravalomanana, raha nanao fampielezan-kevitra hiomanany handraisana ny fahefana fanindroany ny taona 2007.

21-févr-2022

Ny lalana na hoe ny fanamboaran-dalana moa tamin’izany fotoana izany no neverina fa fototry ny fandaharan’asan’ity filoham-pirenena teo aloha ity ary heverina ihany koa fa mbola ho fototry ny fandaharan’asany raha tafaverina eo amin’ny fitondrana izy na izay olona hapetrany eo. Tsotra kely no antony sy fanazavany azy na dia nezahana nolotoana foana aza tamin’ny hoe “Ny lalana angaha azo hanina?”. Rehefa vita tsara ny lalana dia azo antoka ny fihazakazahan’ny fandrosoana ara-toekarena. Mora ny famezivezena ireo vokatra ifanakalozana ara-barotra. Mihena ny fitohanan’ny fifamoivoizana. Mitombo ny fotoana hahafaha-mamokatra. Hitombo koa mazava ho azy ny vokatra amin’ny lafiny rehetra. Resaka fanatsarana ny lalana fotsiny dia efa mety hahavitana izany santionam-pampandrosoana goavana maro izany saingy haintsika izay mahatsiahy ny tantara moa no niafarany. Tsy ny resaka lalam-pirenena toy ny ankalazaina amin’izao fotoana izao izay mbola iandrasana an’Ambatobevohoka fotsiny izany ny fanamboarana ny ankamaroany eto no resaka fa tafiditra anatin’izany koa ireo am-poto-moty sy heverina fa naman’ny ambany mason’ireo fahefana mpanatanteraka izay manakaiky rafim-panjakana aty toy ny eny 67ha sy ny manodidina eny. Io moa samy manohy lalana saingy hafa mihitsy aloha izany izao no lalana nofidian’ity fitondrana ity ho tohizana. Isany ny fanohizana ny lalana tsy ahafaha-mihaino ireo tsikera toy izay mikasika ny laharam-pahamehana manoloana ny zava-misy eto amin’ny firenena. Nolazaina ho nanao fahotana mahafaty izany izao ilay solombavambahoaka nangataka ny fanemorana ny fametrahana teleferika eto Antananarivo satria hoe manohitohina ny tetikasan’ny filoham-pirenena kanefa iaraha-mahalala izao ny zava-misy fa maro ireo traboina sy kere eto ary mbola ahiana hitombo ihany satria mananotanona sahady indray io ny rivodoza manaraka. Aiza ho aiza ao anatin’izao fomba fitantanana izao izany ny fametrahana ny atao hoe fitondrana mitsinjo vahoaka ao anatin’izany rehetra izany. Tsy afaka ny hiova mihitsy ve ny praograma na dia efa hita mazava izao aza fa sakana ara-boajanahary fa tsy voatr’olombelona araka ny niheritreretan’ny mpitondra sy ny ekipany azy hatramin’izay intsony no hita ho manakana ilay tetikasa ?
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

famohazana ny fata-maty amin’ireo tetikasa efa nalevin’ny fotoana lazaina fa hatao,…

Card image cap
22-avril-2024

amin’ity firenena ity ary «Rafahafahana»? tsaroana, 7 taona lasa teo izay,

Card image cap