Na ny mahita eny anaty fiarahamonina eny fotsiny ny tondro molotra ataon'ireo olombelona tsy mahatsiaro ny tenany ho nandalo sekoly ireo mpampianatra fotsiny dia efa mankarary any anaty any. Vao maheno fotsiny ianao hoe mpampianatra iny dia ny tonga ao an-tsain'ny mpiara-monina avy hatrany dia hoe kely karama izany ireny. Vao mba mandalo mpivarotra tonga dia hoe tsy omena trosa sao tsy hahaloha izany trosa izany? Iza tamintsika olompirenena nefa moa no tsy nandalo mpanabe nialohan'ny naha toa izao azy ? Raha tiana ho potika, hono, ny firenena dia ny fanabeazana ao no tokony potehina voalohany. Tsy mahagaga raha potika farany mahantra sy fadiranovana ny firenena ankehitriny. Na ny mpitondra sy ireo efa nitondra aza mbola mila fanabeazana. Mbola mila hampianarina samy hiaiky ny tsy fetezam-pitantanany ary hanitsy izany. Mbola mila beazina tsy hivadibadi-dela ka hahatonga ny firenena mbola ho ao anatin'izao toerana misy azy izao. Samy mbola mila fanabeazana.
J. Mirija
kanefa dia ireny niaraha-nahita ireny fa hipoka olona ny kianja goavambe eto Antananarivo