airtel

Edito

14-juin-2023

Edito

Samy tompon’andraikitra

Sample post image

Io efa iaraha-mahita io fa sahirana ny CENI amin’ilay fanavaozana ifotony ny lisi-pifidianana. Mety hoe eo ny olana

14-juin-2023

kely ara-teknika sy ara-pomba fiasa fa ny tena tsikaritra dia ilay olombelona tokony hifidy mihits no misy tsy marisika hisoratra anarana ao anatiny lisitra. Fa nahoana ary ? Tsy azo boriboriana fotsiny hoe : ka kamo tsinona ka ! Mety misy antony maro io fa ny tena anisany goavana angamba dia ilay fahasahiranana. Sahirana amin’ny fivelomana ka manjary mampidina ny resaka politika sy fifidianana any amin’ireo zana-tohatra tsy maika. Raha hifidy dia ahoana, raha tsy hifidiy dia ahoana ; raha i Rabe no lany Filohan’ny repoblika eo dia misy inona ? Ary raha Rakoto na Rasoa dia hanao ahoana ? Mipetraka fotsiny ny fanontaniana saingy maro ny tsy te hiasa saina hamaly izany. Lasa manahirana ny toe-draharaha satria mitombo isa izany ny olom-pirenena tsy mivaky loha firy amin’ny fiainam-pirenena. Ireo karazana sangodim-panina politika nifandimby nitranga teto no anton’izany ; maro ihany anie izay fampanantenana sy kabary ary resaky ny mpanao politika izay e, fa niha nahantra ihany ny maro an’isa amin’ny Malagasy . Tena hoe : sahirana. Tsy mbola tara anefa izao raha irosoana ny fandaminana : miresaka, mifanakalo hevitra, mamoaka fehin-kevitra, manoritsoritra tsara ny lalan-kombana, mametraka lalàna sy fitsipika natao ho an’ny rehetra fa tsy miangatra. Izany ihany ny lalan-tokana fa tsy fifampiderana hery sy tanjaka satria lalana mankany amin’ny fifandonana izany, ary raha miha mahazo vahana eo dia ady an-trano anie e ! aoka samy ho mailo, aoka samy hitandrina ary aoka samy ho tompon’andraikitra fa tsy misy afa-miasa eto raha rendrika eo indray ny sambo.
RTT
 

Dans la même rubrique

16-mai-2025

olom-pirenena zary mety mahalala tsianjery

Card image cap
15-mai-2025

kanefa dia ireny niaraha-nahita ireny fa hipoka olona ny kianja goavambe eto Antananarivo

Card image cap