tia tanindrazana

Parution du Lundi, 27 Mars 2023

airtel

Edito

Sarotra ny manangana

Daty iray isan’ny manan-tantara ny 26 janoary, raha mampahatsiahy ny raharaha 2009 isika.

26-janv-2023

Sample post image

Tsy finiavana hitanisa ny lasa, fa ny tantara no isan’ny tondro iray ahafahan’ny rehetra manoritra ny ho avy. Vao miresaka an’io dia efa mitamberina ao an-tsain’ireo efa vory saina tamin’izany ny fahapotehana sy faharavana, ary tena nahamainty tanteraka ny fiainam-pirenena sy ny fiainam-bahoaka. te Ilaina ihany koa no mampahatsiahy an’ireny satria misy toa mody adala sy miereritra fa madio tànana, nilaza fa hanavotra firenena, kinanjo izao mbola mitohy mandrak’androany izao ny famotehana sy ny fihemorana manara-penitra. Mila tsiahivina satria maro no very tondro sy tsy mahalala kanefa mahery vaika ny fanasana atidoha ankehitriny, indrindra fa ho an’ny tanora. Samy afaka maka sary an-tsaina angamba ny rehetra fa raha zaza vao 4 taona tamin’izany, efa vory saina sy efa olom-pirenena feno afaka mifidy ankehitriny, ka anjaran’ny Raiamandreny ny manabe ny zanany hahala tsara ny tantaram-pirenena mba tsy ho very tondro na “repère” hoy ny teny vahiny. Miha voaporofo hatrany fa mora ny mandrava, fa tena sarotra kosa ny manangana. Lesona lehibe ihany koa ny hoe: tsy mora ny mitantana firenena. Tsy vitan’ny balarora sy fampanantenana hoe: hanao an’izao sy izao, fa tena mitaky traikefa sy fahamatorana. Mila mahafantatra tsara ny firenena sy ny vahoaka Malagasy mba tsy hanaonao foana izay sady mampalahelo no mahamenatra. Mila ekipa matotra sy mahomby ary mahavita, mila vina sy programa maty paika mifanaraka amin’ny filàn’ny firenena,… Betsaka ny milaza ho mahavita, ary ahenoana karazana fampanantenana mihitsy any amin’ny propagandy, betsaka no manome lesona sy mandray ho tombotsoany ny tsy fahombiazan’ny ankehitriny. Zary lasa manam-pahaizana sy milaza ho afaka hanavotra an’I Madagasikara avokoa izay mahazo “micro” sy miteny amin’ny haino aman-jery. Ny olom-pirenena no mila manaraka sy mianatra hatrany mba tsy ho voafitaka lava, mila mahay manavaka ny vary sy ny tsiparifary, sao sanatria ho tafidi-kizo eo indray. Raha izao mantsy no mbola ho voafitaka dia asa izay hahazo ity firenena ity?
Toky R
 

Dans la même rubrique

Card image cap
Ahodina hatrany
27-mars-2023

Mandeha ankehitriny ny tolon-drizareo frantsay ho fanoherana ny fanemorana ny taonan-dretirety. Hatramin’ny kilonga kely mbola any amin’ny kilasy ambany na ilay antsoina hoe CM,

Card image cap
Fampianaran-diso
24-mars-2023

Any amin’ny sehatry ny finoana moa no matetika andrenesana ny voambolana hoe fampianaran-diso. Ho an’ny Kristianina, ohatra,

Voir plus