airtel

Edito

30-avril-2025

Sempotry ny fampanantenana!

Teny anaty Baiboly moa ny hoe tsy ho foana ny fanantenanao raha

Sample post image

mbola hisy koa ny farany na dia manadroadro aza ny oham-pitenenana frantsay

30-avril-2025

fa ireo tsy misaina no miaina amin’ny fanantenana. Atao ahoana tokoa nefa no hiaina tsy misy izany fanantenana izany na hanohy hiaina ihany nefa tsy hanantena na inona na inona? Tsy efa naman’ny maty am-pitsanganana ihany ve izany? Tsetsatsetsa tsy aritra iny entina ilazàna, na izany na tsy izany, fa ny zava-drehetra koa nefa rehefa be loatra dia manimba, mbola araka ny voalazan-drizareo vahiny ihany hoe «Tout excès est nuisible!». Madagasikara hatramin’izay dia niaraha-nahita sy nahalala fa notontofan’ireo mpitondrany fampanantenana ary tsy nety tafavoaka tao anatin’ny fahantrana. Ankehitriny, io iaraha-mahita io, vao mainka sempotry ny fampanantenana! Nampanantenaina teto hatramin’ny hoe ambolena hatramin’ny «Coton de Tuléar». Nampanantenaina ny «puce» ho an’ny omby. Ny voangory vy na «drone» hanenjehana dahalo. Nofehezina tamin’ny hoe ho vitaina anatin’ny 5 taona ny fampandrosoana tsy hita tao anatin’ny 60 taona. Vita iny ilay 5 taona. Efa hisasaka ny 5 taona fanindroany. Farany mahantra eto ambonin’ny tany ny firenena malagasy, araka ny maridrefy iraisan’izao tontolo izao. Maridrefy izay ny filoham-pirenentsika irery sy ny ekipany ihany no mandà izany nefa moa ka asa angamba izy ireo na efa afa-po ka sahy milaza hoe efa sambatra izao vahoaka malagasy izao na dia mahantra aza. Tsy mahalala ny zava-misy marina ve sa tsy mahita intsony izay tokony atao fa dia sempotry ny fampanantenana aloha isika amin’izao fotoana izao!? Io izao dia ampanantenaina indray hoe matotra ny resaka momba ireo nosy manodidina amin’ny 30 jona. Aiza nefa ilay hoe raha tsy azo tamin’ny taona 2019 dia tsy ho azo intsony? Matotra ireny sa tsia?
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

7 taona mahery no nitondràny amin’ny maha filohan’ny repoblika malagasy azy,

Card image cap
28-mai-2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

Card image cap