airtel

Edito

06-déc-2023

Seraseram-barotra

Ekena fa mpandraharaha ny

Sample post image

filoham-pirenena namarana ny 5 taona vita teo sy ny nolazain’ny HCC

06-déc-2023

fa mbola lany ho an’ny 5 taona manaraka fanindroany indray. Efa 5 taona nitantanana tetezamita koa moa izy ary mbola olony ihany no nitondra ny firenena taorian’izay, izany hoe, 2009 no nankaty, 14 taona, fitantanan’ny mpandraharaha ny firenena no nibahana ny androtokon’ny fiainam-pirenena teto Madagasikara. Nankalazaina foana ny hoe serasera no fototry ny fitantanana ary dia tena serasera tokoa moa izany ka serasera. Serasera nitondra soa ho an’ilay vahoaka malagasy ve nefa sa serasera an-tsary na seraseram-barotra amin’ilay antsoin’ny vahiny hoe “marketing”? Mankany Dobay dia misambotsambotra izay olon-dehibe tsara iarahana maka sary rehetra ity, izany ve izany ilay serasera, hoy ny mpamakafaka raharaham-pirenena, Serge Zafimahova, izay? Dia ho fitahana amin’izany foana tokoa ve izany ilay vahoaka malagasy? Rehefa jerena ny sary rehetra aely etsy sy eroa dia toy ireny manga dia manga ireny ery ny fifandraisan’ilay firenena amin’ireo sehatra iraisampirenena nefa rehefa miresaka ny momba izany antsoina hoe Madagasikara izany izy ireo androany dia faha 124 amin’ny firenena miisa 125 amin’ny ady amin’ny hanohanana no henony, izany hoe firenena faha 2 manana vahoaka noana indrindra eto ambonin’ny tany. Firenena farany mahantra. Mbola ho tohizana 5 taona indray ve ny toy izany? Mahagaga ihany!
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

16-mai-2025

olom-pirenena zary mety mahalala tsianjery

Card image cap
15-mai-2025

kanefa dia ireny niaraha-nahita ireny fa hipoka olona ny kianja goavambe eto Antananarivo

Card image cap