airtel

Edito

25-avril-2025

Sisa taraiky!

Na inona tokoa ambara, na inona fomba entina ilazàna azy

Sample post image

dia Madagasikara no hany sisa taraiky, mbola manindraindra fatratra ny firenena frantsay

25-avril-2025

amin’izao fotoana izao! Ny ankamaroan’ireo firenena afrikanina efa babony fahiny dia efa somary mizotra any amin’ilay antsoina fialan’ny jiosy na koa hoe manilika tsikelikely izany Lafrantsa nilaza azy ho reny malala fahiny izany. Iaraha-mahita io ny afitsoky ny firenena alzerianina amin’izao fotoana izao. Toy izany koa ny zava-misy ao Burkina Faso. Ireny ny hafatry ny mpitondra kaomorianina ho an’ny firenena frantsay teo ambany mason’ny filohany mihitsy omaly. Madagasikara, amin’ny alalan’ny mpitondra azy sisa taraiky, hoy hatrany ny fomba fitenin’ny tanora azy izay! Raha atao jery todika tokoa hatreo amin’ny taona 1958, izay fotoana nanomezan’ny frantsay fahaleovantena ny firenena malagasy, no ho mankaty. Nitondra inona ho an’i Madagasikara tokoa moa ny fifikirana tamin’ny frantsay fa tsy fanoherana azy na teo aza ny fahasahiany nilaza tao amin’ny Nosy sambatra na Iles Glorieuses hoe «Ici c’est la France!» na koa hoe Frantsa eto? Mampiely ankehitriny ireo haino aman-jery frantsay samihafa fa voahozongozona ny fiandrianan’ny firenena frantsay, raha ny mikasika ireo nosy manodidina an’i Madagasikara no resahina. Nilaza iny ny fitondràna frantsay fa amin’ny 30 jona indray no fotoana raha mbola hiresaka izany nosy manodidina izany. Tsy nisy setriny na avy amin’ny fitondràm-panjakàna na avy amin’ny fanoherana izao fitondràna ny tany sy firenena malagasy ankehitriny izao fa dia samy izay fotsiny izany hoe izay izany. Sisa taraiky!
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

16-mai-2025

olom-pirenena zary mety mahalala tsianjery

Card image cap
15-mai-2025

kanefa dia ireny niaraha-nahita ireny fa hipoka olona ny kianja goavambe eto Antananarivo

Card image cap