airtel

Edito

03-nov-2025

Soavaly tapa-kofehy!

Tapa-kofehy no ilazàna ny soavaly

Sample post image

rehefa afaka amin’ny fifehezana azy.

03-nov-2025

Mety ho fifehezan’ny tompony io. Mety ho fifehezan’izay nangalatra azy ihany koa. Soavaly tapa-kofehy! Midika izany hoe niala taminy ilay tady fitondràn’ny mpitaingina azy iny. Niala taminy koa izay nanelingelenana ny vatany rehetra. Ireo mpiompy sy mpikarakara soavaly moa no tena mahalala izay ary ohatra noraisina ihany idirana amin’ny hoe inona moa no tena tiana ihaviana ao anatin’izany rehetra izany manoloana izao fiainam-pirenena miditra anatina rivotra politika vaovao izao? Tsikaritra ho toy ny soavaly tapa-kofehy ankehitriny ny vahoaka malagasy tsy hanavahana, raha ny lafiny atao fahalalahana maneho hevitra no raisina. Tsy arakaraky ny nanasoketàn’ny sasany azy hoe fitondràna miaramila izany, ny resaka fitsipika na «discipline» no tena hibahan-toerana ao anatin’izay. Andrasana ihany tokoa izay, ary inona moa no maha ratsy an’izany, indrindra, manoloana izay toetsaina malagasy niara-nahatsikaritra tanaty taona maro fa niha goragora izay? Tena andrandraina amin’ny maha olompirenena vanona mihitsy tokoa aza ny mba hiverenan’ny atao hoe «discipline» izany andrindràna ny fiarahamonina eto amin’ity firenena ity ary inoana fa tsy hahasakana ny atao hoe fahalalahana miteny sy maneho hevitra ihany koa nefa izany! Soavaly tapa-kofehy amin’ny resaka fahalalahana isika ankehitriny, hoy ny efa voalaza teo, ary iaraha-mahita io fa na hitondra hevitra manao ahoana na ahoana, na hitaky inona na hitaky inona dia samy mahazo sehatra avokoa amin’izao fotoana izao na an-dalambe io na amin’ny haino vaky jery samihafa. Tsy misy mandrahona gagazo toy ny tamin’ny fitondràna vao avy niongana teo, hoy ny hirahiran’ny maro. Ao ny mitaky ny fialàn’ny ben’ny tanànan’Antananarivo. Ao ny mitaky tombontsoa sendikaly. Ao ny mitaky fanesorana filoham-pokontany na ben’ny tanàna any ambanivohitra samihafa any. Maro lafy ireo fitakiana heno etsy sy eroa sy fanehoan-kevitra ihany koa amin’izao fotoana izao saingy na izany na tsy izany, ny tena irariana, dia ny hoe mba ho soavaly tapa-kofehy koa isika malagasy amin’ny fahafaha-misitraka amin’izay ireo harem-pirenentsika hampandrosoana marina an’ity firenena ity!
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

10-nov-2025

hatrany am-boalohany fa tena mbola

Card image cap
07-nov-2025

indray ity ny fahatapahan’ny rano,

Card image cap