airtel

Edito

24-oct-2022

Edito

Tànana efa zatra mitsotra

Sample post image

Tahaka ny manantena afo amin’ny maty, raha ity Fitondrana volomboasary ity no heverina sy hinoana fa hanao fahagagana ka hanova famindra.

24-oct-2022

Akoho tsy naneno ohatr’izay efa lanin’ny kary ka asakasak’izay mbola hino sy hanantena fa dia ho avy ny fampandrosoana lehibe tena mipaka any am-bilanin’ny Malagasy. Marina fa tsy hisy mpitondra hahavita fahagagana ao anatin’ny fotoana fohy, saingy mba efa hita taratra ihany ny vary hamoa sy hanakofa. Raha handrombaka fahefana aloha dia henjana, fa raha hitondra sy hampandroso firenena, toa lavitry ny kitay ny afo. Politikan’ny kitaitaitra sy fampanofisana mitsangana no hany miharihary. Tombony ho azy ny tsy mba fananana henatra sy tahotra ka handaingana sy hamitahana vahoaka io, ny zava-dehibe dia hahazoana vatom-pifidianana. Ny zavatra mainty androany lasa fotsy rahampitso, ary toy izany foana. Tsy mila famatsiam-bola sy fianteherana amin’ny mpamatsy vola mahazatra fa tsy mampandroso sy mampahantra ireny, saingy izy no lohalaharana mitambezo an’izatsy sy izaroa mampiteny sary fa atokisan’ny mpamatsy vola. Ny tsy vitan’ny rehetra tao anatin’ny 60 taona hovitaiko ao anatin’ny 5 taona, saingy izy avy eo no mivoy mafy ho fialana bala fa tsy vita ao anatin’ny 5 taona ny asa fampandrosoana, mila 6 taona sy 10 taona vaovao indray hanamboaran-dàlana sy hanatanterahana ny PEM. Tena raha ny antsasaky ny fampanantenana zavon-tany tamin’ny propagandy fotsiny no tanteraka, tsy ohatr’izao isika! Efa nampoizina hatry ny ela ihany ny ho afitsony, saingy mbola misy ihany moa ny mpiray tanindrazana resiny amin’ny serasera sy ny langon malefaka, manantena fiovana hoentiny,… satria tena hainy ny serasera. Vita izay ny 4 taona ankoatra ny 5 taonan’ny tetezamita, anjaran’ny tsirairay ny misaintsaina sy mandinika hoe: tena ireto vondron’olona ireto ve no fanalahidin’ny fandrosoan’I Madagasikara sa mpandavaka ny lavaka hilevenan’ny firenena ao anatin’ny lavaka mangitsokitsoky ny fahantrana? Tena hampandroso firenena ve no tanjony sa hampandroso ny ambaindain’ny harena amam-pananany, hany ka misy mahavita milaza fa mila omena fahefana 5 taona in’efatra mihitsy ny Filoha ankehitriny, kanefa hay mba ahafahany manao ny afera malotony. Tsy nisy tsy diso izay mpitondra nifanesy, samy nanana ny fahalemeny,… fa ny an’ity kosa efa tena tafahoatra, kanefa mieritreritra tsy ho tratry ny aloka. Sarotra amin’ny kisoa, hono, no handeha hifady apombo izay nahabotrabotra azy, ka asakasaky ny Malagasy raha mbola hino fa hivokona ny tànana efa zatra mitsotra.
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Mihazakazaka any amin’ny fanenjehana ireo mpifanandrina ara-poto-kevitra aminy hatrany ny fitondrana,

Card image cap
24-avril-2024

Tonga indray ity ny vanim-potoanan’ny fifidianana

Card image cap