fiovam-pitondrana teto rehefa nirodana ny fitondrana jiolahim-boto tompondakan’ny kolikoly sy mpamono vahoaka, no efa fantatra fa hanao izay hanozongozonana ny fitondrana mijoro mba tsy hahatongavana amin’ny fanovana sy fanavaozana ireo mpitondra niongana. Miharihary ny fiezahana hamboly korontana, famoronana lainga sy tsaho mba hanasoketana ny fitondram-panjakana,… Midika izany fa mitaky fahamailoana tanteraka ny fitondram-panjakana, tsy afaka manao fahadisoana mety vao mainka hanome bala ny mpanohitra, mila mampiseho fa tena miova sy miala amin’ny fanao ratsy teo aloha isika ka mila miainga avy any ambony ny ohatra. Fanao ratsy isan’ny niteraka fipoahana teo aloha ny fampiasana andian’olona na vondron’olona na vondrona ara-toekarena ny fahefam-panjakana, ny tafika, ny fitsarana, ny rafi-panjakana,… ho fitaovana entina manamafy ny ambahidahin’ny fahefana, hamoretana vahoaka, hanaovana kolikoly avo lenta,… Voafintina ao anatin’ny hoe : « capture de l’Etat » izany. Inona tokoa no antoka hahafahan’ny vahoaka fa tsy miverina intsony izany ? Ahoana no hifehezana ny fitondram-panjakana tsy ho tafiditry ny jiolahy sy ny dahalo ambony latabatra ? Tsy finiavana handrirotra na hampisavorovoro ny fitondram-panjakana na iampanga an’izatsy na izaroa, fa kosa tokony hahay haka lesona amin’ny tantara efa nisy. Sao sanatrian’ny vava mantsy ka ho tonga amin’ilay fiteny vahiny hoe : « entre la peste et le choléra » ny mpitondra na fomba fitantanana ny Firenena noho ny mety hafitsok’ireo fandoto iray tandroka mandoto ny rano iray siny. Ny heverina fa mpifanandrina politika efa fantatra fa ny ekipa mety mamerina ny fanao ratsy teo aloha na manao mpamosavy malemy ve tena voafehy ? Mila arenina ny tsy mety, hovaina ny famindra ratsy,… sao sanatria ho lasa singam-bolo handavo ny vositra e !
Toky R