airtel

Edito

27-déc-2022

Edito

Taonan’ny vatofototra sy ny makety

Sample post image

Rehefa mifanarana tahaka izao ny taona, ahafahana mandrefy sy manao tomban’ezaka amin’ny asa vita.

27-déc-2022

Asa ny fahatsapan’ny Fitondrana ny tenany raha ny fitantanana firenena no resahina fa raha ny vokany amin’ny sarambabem-bahoaka aloha dia niiba ny vokatra. Fampifalifaliana sy fameriverezan-dia ny vahoaka amin’ny jiro maroloko etsy Ambohitsorohitra sisa misongadina, fa raha ny tena famahana ny marary azy, dia tsy izao fitondrana izao mihitsy no azo ianteherana. Ho avy indray ny kabarin’ny filoha ho an’ny faran’ny taona sy ny asaramanitra ka asa hoe: inona indray no ambara? Raha tany amin’ny fandraisana ity taona hifarana ity mantsy dia nolazaina fa ho taonan’ny fandrosoan’I Madagasikara. Notanisaina ireo velirano samihafa, ireo tetikasa goavana,… kinanjo mbola ho velirano horesahina ho an’ny 2023 indray ny ankamaroan’ireny. Efa naman’ny fampiesonana manara-penitra ny lalaon’ny Nosy atao any amin’ny Tanamasoandro, ny fantson-drano any Atsimo efa tamin’ny 4 aogositra 2020 no nanaovana fampanantenana fa hanomboka ka asa firy kilaometatra no vita? Ny tao Fianarantsoa efa tamin’ny oktobra 2021 no naseho ny makety hananganana “pôle urbain” saingy efa ho voadingana ihany ity ny 2022 kanefa tsy hita izay eo. Io indray fa mandeha ny fampanantenana fa ho vita mialohan’ny lalaon’ny Nosy 2023 ny teleferikan’Antananarivo, ka dia iaraha-mahita eo indray. Sao hisy hilaza indray tahaka ilay bus 1000 nampanatenaina mialohan’ny faran’ny taona 2022 indray hoe: tsy izaho na ny Filoham-pirenena no nampanantena an’izany? Toa efa fomba fiasa mantsy ity mitokana makety sy vato fototra ity. Asa na efa mailo tamin’ilay orinasa mpamokatra Ethanol any Ambilobe nanomboka 8 martsa 2019 ary ho vita 8 desambra 2019 ka tsy nasiana daty mazava intsony ny ho fahavitan’ny RN13 izay nanaovana vava fa tsy hanao politika raha tsy vita io; ny “autoroute” Antananarivo-Toamasina moa toa mbola tsy marin-toerana ny hoenti-manana fa ny zava-dehibe angamba dia ny hoe: tamin’ny andronay no nametrahana vato fototra sy nanombohana ny asa? Azo antoka fa ambara ho taonan’ny fanohizana ny asa sy ny velirano indray ny 2023 fa izay fomba hilazana azy no tsy hay. Mbola handaitra sy hipaka amin’ny olona ve ny fanatosahana fanantenana maro sosona raha tarafina amin’ireo zavon-tany tsy vita? Mbola hino sy hahatoky ve ny olom-pirenena fa hisy ny fahagagana ao anatin’ny 8 volana ka hivadika ho vato ho an’ny volomboasary amin’ny fifidianana ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Mihazakazaka any amin’ny fanenjehana ireo mpifanandrina ara-poto-kevitra aminy hatrany ny fitondrana,

Card image cap
24-avril-2024

Tonga indray ity ny vanim-potoanan’ny fifidianana

Card image cap