airtel

Edito

01-juin-2023

Edito

Tena mahantra

Sample post image

Mamono miadana toy ny homamiadana ankehitriny ity fahantran-dRamalagasy ity. Tena mahantra isika ary maro no heverina fa fomba azo hanazavana azy saingy toy ny tongom-bakivaky moa izy ity,

01-juin-2023

hoy ilay fomba fiteny izay, ka sady marary no maha menatra. Manomboka any amin’ny mpitondra, mandalo amin’ireo mpanao politika maro ka hatraty amin’ny vahoaka naniry mba hanana mpitantana hitondra azy ireo ho any amin’ny tena fampandrosoana sy fisandratana tena izy ho an’ity firenena ity amin’izay dia samy mahantra avokoa. Rehefa tsy mahantra ara-bola dia mahantra ara-tsaina. Tsy manana saina afa-tsy ny hamerina ny tsy nety teo amin’ny tantara. Oviana tsy nisy fifanarahana politika nokonokononona tany ambadika tany teo ambany fitarihana vahiny moa teto? Iny indray izao omaly dia nisy fisamborana olona tsy hay hoe naninona sa dia tena entina hampihorohoroana ny sain’ireo vahoaka mody lazaina lalandava fa tompon’ny fahefana fotsiny tsotra izao? Nahatonga an’ilay Madagasikara ho lasa lohalaharana amin’ny fampandrosoana ara-toekarena ve izao ny toy ireny? Ny tsy nitazona ny teny nomeny hatramin’izay dia mbola nijanona ho izany ary lasa manana mpandova aza ankehitriny, hoy ny mpandala ny maha malagasy iray izay naneho ny heviny ho fanamarihana izao iray volan’ny teny malagasy izao. Vao 5 taona monja teo izay no lasa, nilazana mpitarika fidinana an-dalambe fahiny iray fa zo fototra ny fidinana an-dalambe. Ankehitriny anefa dia gaga ianao, hoy ilay fiteniny sy ny namany tamin’izany, fa dia lasa mpanohitra fatratra izany fidinana an-dalambe izany ilay tomponandraikitra. Tena mahantra isika ary ahiana mbola hiha mahantra!
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

famohazana ny fata-maty amin’ireo tetikasa efa nalevin’ny fotoana lazaina fa hatao,…

Card image cap
22-avril-2024

amin’ity firenena ity ary «Rafahafahana»? tsaroana, 7 taona lasa teo izay,

Card image cap