airtel

Edito

29-juin-2023

Edito

Teren-ko masaka

Sample post image

Teren-ko masaka toy ny voalobo-jaza, hoy ny fomba fiteny izay, rehefa misy toe-draharaha hita miharihary sy tsapa fa tsy mandeha amin’izay

29-juin-2023

laoniny intsony kanefa misy vokatra andrasana ao anatiny ao. Zaza sy ankizy hanala CEPE, BEPC, Bakalorea, ohatra, ka nandritry ny taom-pianarana manontolo tsy namerin-desona, tsy mba nihaino fanazavan’ny mpampianatra, manao alasafay ny enti-mody saingy herinandro alohan’ny fanadinana vao hanovokovoka hamaky sy hianatra izay nampianarina rehetra dia izany no atao hoe teren-ko masaka ary mazava ho azy fa tsy maintsy ho tsy fahombiazana ny vokany na sanatria fanaotaovam-poana toy ny hala-tahaka sy halatra na ilay antsointsika hoe «fraude» mihitsy aza. Mbola ho tsikaritra ihany anefa izay any aoriana hoe io fa tsy hainy akory kay ilay raharaha. Sarinteny iray izay fa ny ara-bakiteny moa izany dia ohatra hoe vary natokonao nandritry ny fahefatr’adiny dia avy dia loharanao sy hamahananao olona raha toa 45 minitra fara-faha keliny izany no tena tokony ho masaka. Teren-ko masaka toy izany rehetra izany ankehitriny ny fiainam-pirenena ary ireny iaraha-mahita eraky ny faritra ireny ny fotodrafitrasa toy ny tranom-panjakana lazaina fa manaram-penitra nefa dia mirodandrodana ho azy etsy sy eroa. Na ny fampandehanan-draharaha heverina fa hany sisa azon’izao fitondrana izao fehezina ato anatin’ny famaraparanana ny fe-potoam-piasany aza mbola io iarahantsika mahita io fa mikorontana ambony ambany teren-ko masaka koa. Rotaka ny any Taolagnaro amin’ity olan’ny QMM ity. Mitokona ny CNaPs. Ny oniversite moa tsy mety milamina mihitsy fa vao mainka tsy nahita olana nihoatra an’izao tao anatin’ny 63 taona. Ny antenimieram-pirenena koa misambadidaka ary miha miharihary ny tsy fifankahazoana intsony amin’ny governemanta raha tsy hoe ho vitavitain’ireto heverina fa olon-dehibe ireto mora angamba ireny resaka fitsipaham-pitokisana isan-karazany noterena hitsefotra ireny. Ny mpanohitra manao ny ataony. Na ny samy milaza azy ho mpanohana koa aza miha miseho hatrany ny tsy fifankahazoana. Lava ny lisitra raha tanisaina daholo fa ny azo amehezana azy dia ny hoe 5 taona latsaka nisian’ilay fitondrana izany dia tsy nisy azo namaritana an’ilay fiainam-pirenena teto Madagasikara ankoatran’ny hoe kianjan-tsavorovoro na koa hoe sahan’ady. «Foyer de tension» moa, hoy ny fitenin-drizareo mpiray firenena hafa amin’ny filoham-pirenentsika izay. Dia mbola tsy hahamenatra izao fitondrana izao mihitsy ve, fa tsy ny filoham-pirenena irery, ny hiverina eo amin’ny fe-potoam-piasana manaraka? Dia tena mampandry heritreritra azy ireo ve izao zava-misy izao ?
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

16-mai-2025

olom-pirenena zary mety mahalala tsianjery

Card image cap
15-mai-2025

kanefa dia ireny niaraha-nahita ireny fa hipoka olona ny kianja goavambe eto Antananarivo

Card image cap