airtel

Edito

15-déc-2022

Edito

Tompondakan’ny famotehana

Sample post image

Tsy finiavana hanakiana sy hitsikera, fa mbola tsy niaina fitantanana firenena mivaralila miainga hatrany ambony ka hatrany ambany tahaka izao ny Malagasy,

15-déc-2022

na eo aza ny serasera efa zary lasa fanesoana hoe: tompondakan’ny indostria, fanjarian-tsakafo,... Samy mba nanana ny fahadisoany sy ny fahalemeny ireo mpitondra nifanesy fa tsy mbola nisy tahaka ity. Andeha anie mba hieritreritra kely dimy minitra monja hoe: raha toa ka mpitondra hafa no eo amin’ny toeran’izy ireo ankehitriny, ka tahaka izao ny endri-pitantanana firenena, ary izy no teo amin’ny fanoherana e! Azo antoka 100% ny fanozongozonana Fanjakana, eny fanonganam-panjakana mihitsy aza, raha tarafina tamin’ny fihetsiny 13 taona lasa izay. Ny inona tamin’ny notsikeraina sy nanonganam-panjakana tamin’izany no tsy miverina ankehitriny? Moa nihatsara ve ny fari-piainan’ny Malagasy sa vao mainka nitotongana ambony ambany? Tsy misy intsony ny ampihimamba? Milamina ny fitantanan-draharaham-panjakana? Mba manao ahoana ny ady tamin’ny kolikoly tamin’izany dia manao ahoana ankehitriny? Manao Ahoana ny resaka fifehezana ny fidim-painana, ny fijerena ny tokony ho laharam-pahamehana, ny fifandraisana tamin’ny mpamatsy vola sy ny mpiara-miombon’antoka,… Tsy finiavana hamoha fota-mandry, fa ny tiana hahatongavana dia ny hoe: matoa tonga tamin’ireny fihetsika ireny na ny tamin’ny 2009 na ny 2018, dia tokony hahavita tsara kokoa noho ireo nopotehina. Rehefa zohiana anefa, toa mandrava hefa sy mamotika ny mba napetraky ny hafa no hita soritra raha resaka toekarena, fitokisan’ny iraisam-pirenena,… Mbola misy fahagagana azo antenaina ve? Miandry inona ilay Filoha sy mpitantana ankehitriny vao hiaiky sy hibaboka fa toa izy ireo mihitsy no isan’ny olana goavan’I Madagasikara? Tato anatin’ny 13 taona, toa narahina hatrany tamin’ny sitrapony satria toa nandrangaranga hery sy herisetra, toa nanaiky tsy fidiny ny rehetra fa dia io aloha no tsy maintsy ekena na betsaka aza ny tsy mety sy ny tsy rariny, na fihemorana sy fahantrana aza no tovozina lava eto,… Firifiry izay fampanantenana poakaty izay, niainga tany amin’ny vary sy menaka mora tamin’ny fanonganam-panjakana, simenitra mora hatramin’ny tetezamita ary tohizana izao, vahaolan’ny vidim-piainana ao anatin’nyy 3 andro monja,… Miampy ireo laharam-pahamehana kisampontsampona miseho amin’ny endrika tena tsy fahalalana mihitsy hoe: iza I Madagasikara? Inona no atao hoe: fandrosoana sy asa fampandrosoana? Tena efa toetra raiki-tapisaka, fomba fiasa efa tsy hiova intsony ka anjaran’ny Malagasy no mieritreritra hoe: mbola hino fahagagana sa hanao tanala very sampy ka manova no mety?
Toky R
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

fitondrana ity amin’izao fotoam-piasana faharoa nidirany izao.

Card image cap
18-avril-2024

ireo tafiditra ao anatin’ny hazakazaka ho eny Tsimbazaza.

Card image cap