airtel

Edito

27-oct-2022

Edito

Tompondakan’ny fihetsiketsehana

Sample post image

Raha fihetsiketsehana aloha dia tena mbola hita ho lohalaharana raha mitaha amin’izay rehetra efa nandalo teo alohany ny fitondrana ankehitriny.

27-oct-2022

Azo lazaina hoe tompondakan’ny fihetsiketsehana mihitsy. Nampitomboina iny ny tetibola natokana ho an’ny fambolena saingy ny fanontaniana mipetraka sahady dia hoe tena hahavaha ny olan’ireo tantsaha tokoa ve? Ampy hanampy ny fahasahiranan’ny tantsaha ankehitriny tokoa ve io tarehimarika io? Tsy ireo tantsaha mpamboly vary ihany fa na ny mpisehatra lavanilina, litchi, jirofo sy ny maro hafa rehetra no resaka eto. Na hiresaka famokaram-bary, izay malaza ho foto-tsakafon’ny malagasy, koa aza dia io iaraha-mahita sy mahalala hatry ny ela io ny mbola tsy fahaleovantenantsika ara-pamokarana izany hatramin’izao. Nireharehan’ny fitondram-panjakana mihitsy aza teo ny fanafarana izany. Fahavitan-tena ara-tsakafo nefa no nirahiraina tao anaty fampielezankevitra. Mbola tsy mivaha ny vidin-tsolika sy ny vidim-piainana ary ny tsy fandriampahalemana fa ny tena mahasorena ny maro hatramin’izao dia ity resaka angovo sy herinaratra ity. Eo no mampiverina ambony latabatra ilay resaka teo. Tompondakan’ny fihetsiketsehana! Fihetsiketsehana izany! Fampisehoan-kery izany! Vono vorona izany, hoy ireo mpanara-baovao saingy ny vokatra anefa dia mbola delestazy hatramin’izao.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

16-mai-2025

olom-pirenena zary mety mahalala tsianjery

Card image cap
15-mai-2025

kanefa dia ireny niaraha-nahita ireny fa hipoka olona ny kianja goavambe eto Antananarivo

Card image cap