airtel

Edito

14-nov-2023

Tototry ny fandrendrehan-tsaina

Tototry ny fandrendrehan-tsaina na “diversion”.

Sample post image

Izay angamba no azo hamehezana ny manjo ny tontolo politika teto Madagasikara hatramin’ny taona 2018

14-nov-2023

no ho mankaty! Mampahatsiahy ny fiporitsaritsak’ireo sary momba ny verin-droa na “doublon” tamin’izany fotoana izany kanefa nijanona ho fimenomenomana tanaty tambazotran-tserasera ihany amin’izao fotoana izao ny fahitana ireo karazan-taratasy miparitaka mampiseho ireo lazaina fa fitanilana na tsy fahatomombanan’ny tontolom-pifidianana ao anatin’izao 2 andro mialoha izany izao. Omaly fotsiny dia ireny toy ny fiposahan’ny tafika andrefan-tanàna na masoandro be lohataona ireny, ohatra, ny hoe fangatahana tsipaipaika ataon’ny eny amin’ny fokontany amina orinasa mba hahafahana manatontosa fifidianana. Teo koa ny hoe mpampianatra amin’ny sekoly miankina amin’ny fanjakana terena an-kolaka na mivantana hanotrona ny propagandin’ny heverina fa kandidam-panjakana ao anatin’izao toe-draharaham-pirenena izao. Iny koa ny fangatahana fanapahana ny karaman’ireo mpitarika tolona sendikaly eny anivon’ny SECES izay nataon’ny filoham-pirenena mpisolo toerana mihitsy. Ao anatin’izany rehetra izany dia hita ho mizotra mankany amin’ny fifidianana atao ny alakamisy izao izany aloha ny toe-draharaha ankehitriny ary dia mifototra amin’ny fandrisihana ireo olompirenena tsy handray anjara amin’izany indray ankehitriny ny tolon’ireo kandida miisa 10 raha toa ka ny hanakana izany sy hanadio ny tokontanim-pifidianana no tanjona teo aloha. Inona tokoa moa ny maha ratsy ny hoe miady ho an’ny fangaraharahan’ny fifidianana na ny mba hisian’ny fifidianana madio, tsy mitanila, eken’ny rehetra? Inona no maha ratsy ny fampirisihina ny olompirenena tsy handray anjara amina fifidiana efa hita miharihary fa tsy tomombana, mba tsy hilazana hoe maloto mihitsy? Ny fifampitantanana miodidina ny farihin’Anosy sy ny fanaovana diabe any Itaosy nefa ve no mety hahavaha izany olana izao ao anatin’izao 2 andro tsy hahatongavan’ny 16 novambra izao ?
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Adihevitra be eo amin’ny tontolo politika eto Madagasikara ankehitriny ity tsy

Card image cap
24-juil-2024

fa tena miasa ny Filoham-pirenena, ka ny zavatra tsy tokony hataony aza toa savihiny ho anjara asany.

Card image cap