airtel

Edito

20-juin-2023

Edito

Tsimatimanota…

Sample post image

Betsaka ireo mpitondra Fanjakana efa nandalo teo amin’ny fitondrana sy fitantanana an’I Madagasikara,

20-juin-2023

saingy tsy mbola nisy angamba ireo nitondra tena ho tsy maty manota tahaka ireo mitondra ny firenena ankehitriny, raha tafarina amin’ny zava-misy. Inona ny fanenjehana ny mpitondra teo aloha tsy nitranga tamin’ny 2009? Nohampangaina ho jadona, manitsakitsaka ny demokrasia, managadra mpanohitra, mpanao ampihimamba, manao ratsy tantana ny volam-panjakana,… Novoizina ny fankahalana sy ny politikan’ny ory hava-manana, dia nandeha ny fandorana sy fandrobana fananan’olona,… Mby aiza isika 15 taona aty aoriana? Noventesina ny demokrasia, tsy nahafa-po ny kianjan’Ambohijatovo, dia nidina nanongam-panjakana teny amin’ny 13 may sy nananika lapam-panjakana tetsy Ambohitsorohitra, fa amin’izao gejaina fatratra ny antoko politika na an-drenivohitra na any amin’ny faritra, ka izay atahorana amin’ny fifidianana darohana lakrimozenina, olona azo isaina amin’ny rantsan-tànana midina etsy amin’ny Kianjan’ny 13 may samborina sy gadraina.Moa tsy ilay Filoha ankehitriny no nilaza tamin’ny Propagandy 2018 fa mivarotra 100ha dia efa mahavita fanajariana goavana? Ny fitantanana ambony ambany, tsy misy tena mandeha amin’izay laoniny, fa potika sy banky ropitra ny orinasam-panjakana toy ny Air Madagascar ary ny natao ho solony aza voalaza fa efa mibaby trosa 34 tapitrisa dolara, ny Jirama vao mainka rendrika niainga tany amin’ny 2009 izay mbola nanana ambim-bava 61 miliara Ar saingy vizana tanteraka amin’izao. Nohambaniana ireo mpitondra nifanesy, nampanantena angovo 400Megawatts fa delestazy 12 ora ao anatin’ny 24 ora no hita 5 taona aty aoriana,... Ny tany SAVA sady ripaka tamin’ny tetezamita ny boaderozy no nitotongana 1000% ny vidin’ny lavanila raha fampiakarana avo telo heny no natao. Misy ny natao hohenjehina lalandava, fa misy ny tsimatimanota fa afaka manao izay tiany hanaovana an’ity firenena ity!!!
Toky R
 

Dans la même rubrique

16-mai-2025

olom-pirenena zary mety mahalala tsianjery

Card image cap
15-mai-2025

kanefa dia ireny niaraha-nahita ireny fa hipoka olona ny kianja goavambe eto Antananarivo

Card image cap